airtel

Covid 19

08-mars-2022

Covid 19

Dr Marius Ramaroson “An-dalana ho lasa aretina tsotra ny Covid 19”

Sample post image

Ny zava-misy izao ary tsy azontsika lavina dia mbola betsaka ny olona voan’ny Covid 19, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson.

08-mars-2022

 Mbola hajao, noho izany, hoy izy, ireo fepetra rehetra. Manaova arotava! Hajao ny elanelana! Manaova vakisiny sy ny ambiny rehetra! Ny dikan’ny hoe be dia be ny olona voa dia betsaka izany ny olona efa manana hery fiarovana. Efa miha vitsy izany ny fifindran’io aretina io. Tsy mahita ifindrana intsony no iafaran’io dia izay ilay tonga amin’ny hoe “immunité collective” na fananana hery fiarovana faobe. Ny fahitako azy dia mandeha any amin’ny lalana tokony hizorany izao ny Coronavirus ary an-dalana ny ho lasa aretina tsotra ny Covid 19. Toy ireny aretina isaky ny vanim-potoana ireny. Mandroso foana koa ny fikarohana mikasika an’io aretina io ary inoana fa ho hita tsy ho ela ny fanafodiny. Miha lefy sy miverina toy ny gripa tsotra ny fahitako azy ary tsy ahita intsony kosa angamba isika hoe anio misy voa dia rahampitso maty, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique