airtel

Covid 19

07-juil-2022

Covid 19

Dr Marius Ramaroson “Mampitombo be ny hery fiarovana ny vaksiny”

Sample post image

Iaraha-mahalala fa anaty toetr’andro ratsy isika, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Izany dia manentana ny fiasan’ny aretina azo avy amin’ny viriosy, hoy izy.

07-juil-2022

Eo ny Coronavirus dia eo ny gripa. Ny Coronavirus misy ilay tariny na “sous-variant” Omicron dia ny « variant » B5 Omicron izay miparitaka haingana saingy tsy dia masiaka loatra. Isika izao efa miala amin’ilay fepetra ara-pasalamana hoe arovava, sasa-tanana, elanelana iray metatra. Efa tsy manao intsony ny olona ary ny fivoriana efa be dia be. Mazava loatra fa zavatra mbola miparitaka, noho izany, vao miha miparitaka manoloana izany. Betsaka noho izany ny olona ho tratran’ny hery fiarovana faobe na “immunité collectif”. Vitsy moa ny vita vaksiny ny antsika fa ny vita vaksiny raha mbola tratran’ny valanaretina dia mahazo ny antsoina hoe “super immunité” na “hyper immunité”. Izany hoe lasa matanjaka be ny hery fiarovan’ilay olona. Lazaina ihany koa io hoe “immunité hybride’’. Tadidio tsara izay. Mety hanaparitaka haingana be ny viriosy isika nefa mety hahazo ilay “hyper immunité” ihany. Ny olona vita vaksiny no mahazo io “hyper immunité” io. Mety hahazoana mihoatran’ny hery fiarovana, noho izany, ny olona vita vaksiny. Tena mbola mitombona ny tokony hanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique