airtel

Covid 19

14-avril-2023

Covid 19

Dr Marius Ramaroson «Mbola surprise ny fivoaran’ny Coronavirus»

Sample post image

Mahazo ny lafim-batana rehetra toy ny hozatra sy ny tsinay ny Coronavirus, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson.

14-avril-2023

Be dia be, noho izany, hoy izy, ny lafin’aretina mety ho tratrany amin’ny toe-batan’ny olona. Ankoatran’ny areti-tratra dia mety hahazo ny lalan-dra izy. Mbola eo koa ilay hoe tsy mahare tsiron-kanina sy fofona. Entina ilazana izany fa ilay karazan’aretina misy mifamatotra. Mampalahelo ny maheno hoe 8%ntsika no vita vakisiny. Midika izany fa tsy tena mahalala ny fiantraikan’ny Coronavirus isika. Tsy vitan’ny hoe 8% no vita vakisiny fa ny fiverenan’ny PCR koa izany mbola mila 100.000 Ariary mahery vao afaka manao izany ny olona. Ny tena loza dia tsy fantantsika ilay «antigène» na lafin-karetina mifandray amin’io dia lasa manao anjoanjo hatramin’ny dokotera rehefa misy mararirary tenda hoe Corona ity. Efa niteny foana aho hoe vakisiny ihany no afaka miady amin’io. Tsy mitovy ny fivoaran’ilay aretina ho an’ny olona vita vakisiny sy tsy vita. Hatramin’izao dia mbola tsy ampoizina na «surprise» ny fivoaran’ny Coronavirus, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique