airtel

Covid 19

11-janv-2022

Covid 19

Dr Marius Ramaroson “Miha malefaka izao ny “variant” fa loza ny fiparitahany”

Sample post image

Filaharana proteinina na hoe “séquence de protéine” amin’ny tsimokaretina no antony hanomezana ny anaran’ireo karazana aretina vokatry ny Coronavirus amin’izao na Variant Covid 19,

11-janv-2022

 hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson, nanazava ny fomba fanomezana anarana azy ireny manoloana ny resaka mandeha mikasika ny fisian’izany miforona hatrany. Alfa, Beta, Delta moa izany, hoy izy, no efa misy dia Omicron ilay hoe farany teo. Tsy manana fanaovana “séquençages” moa isika. Nisy proteinina miisa 30 izao no niova tao amin’ilay Omicron. Ry zareo no nahita an’izay fa eto ny minisitera aza mbola hoe ny Beta sy Delta ihany no misy aloha. Ny zava-misy ho anay dokotera am-perinasa dia mahita karazana gripa manana fiseho tsotra aloha izahay dia misy mahafaty ilay olona. misy fiseho ohatran’ny Coronavirus koa. Jerena anefa ny faharetan’ilay aretina, efa mihoatra ilay herinandro na 10 andro. Misy maharitra am-bolana. Sarotra ny hilaza hoe mbola ho avy eto daholo ireo “variant” na tsia. Miha malefaka izy izao fa ny tena loza dia ny fiparitahany no miha betsaka. Nihena ny herin’ilay izy. Nanampy koa angamba ny vakisiny. Rehefa tsy tsaboina anefa ny olona tratran’ilay aretina ka tonga any amin’ilay tranga manahirana dia lojika kosa raha maty. Mbola mitohy ny fikarohana amin’izy io ny fahafantarako azy satria misy fivoarany na hoe “dynamique” koa ny valanaretina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique