airtel

Covid 19

30-mars-2021

Covid 19

Efa ho 2000 no mararin’ ny covid-19 13 maty , 545 voa tao anatin’ny roa andro

Sample post image

Miisa 13 ny maty tao anatin’ny roa andro dia ny sabotsy sy alahady teo, ka nampiakatra ho 394 ny isan’ny lavo hatramin’izay.

30-mars-2021

 545 kosa ny tranga vaovao tao anatin’ny roa andro. Ho an’ny alahady 28 martsa, 7 no maty (2 Analamanga, 1 Atsinanana, 1 Matsiatra Ambony, 2 Boeny, 1 Atsimo Andrefana). 384 ny tranga vaovao, ka teto Analamanga avokoa ny 285 manome taha 74,21%, ny 22 Atsinanana, 14 Diana , 2 Matsiatra Ambony, 10 Boeny, 8 Vakinankaratra, 6 Sava, 1 Vatovavy Fitovinany, 15 Analanjirofo, 2 Ihorombe, 2 Itasy, 17 Sofia. Fitiliana 1281 no nahitana ireo 384 ireo ka mahatratra 29,97% ny taham-pahavoazana, izay tena ambony dia ambony tokoa. Ho an’ny 27 martsa, dia nahatratra 161 ny tranga vaovao, ary 06 no namoy ny ainy. Fitiliana 510 no nahitana ny tranga 161, izay manome taham-pahavoazana 31,56% be izao. Miisa 141 041 ny fitiliana rehetra hatrizay, ka 23 969 ny tranga rehetra, manome taham-pahavoazana ankapobeny 16,99%. Tafiakatra 1904 ny marary tsaboina amin’izao, ka ny 201 amin’ireo dia marary misy fahasarotana na “forme grave” avokoa.

TENA MIPARITAKA BE, NY MITANDRINA NO FANAFODY

 Tamin’ny herintaona tahaka izao isika (28 martsa 2020), dia 43 ny tranga iray andro, tsy nisy ny maty. Ankehitriny, mahatratra 384 ny voa iray andro, ary 7 no maty. Matoa miakatra efa ho 30 % ny “taux de positivité” dia mihanaka haingana be ilay valanaretina, hoy ny mpandinika. Ny zavatra tsapa ihany koa dia tsy maharaka intsony ny hopitaly handraisana ireo marary, ny oxygène hifampitadiavana. Iaraha-mahalala anefa fa ny fidirana amin'ny fihibohana dia hiteraka olana ara-toekarena sy fihariana... Andaniny, ilaina ny manao “rupture de la chaîne de contamination” na fanapahana ny fipariahanny aretina mba hampihena farafaharatsiny ny fifindran'ilay aretina anaty fotoana haingana. Vahaolana azo heverina ny fanaovana “télétravail” na asa avy lavitra , eny na eo anivon'ny asam-panjakana aza ary efa misy sampan-draharaha manao izany. Tsy azo ihodivirana ny hoe:“aleo misoroka, toy izay mitsabo”. Rehefa mitombo ny voa, dia tsy maharako ny mpitsabo, mitombo ny marary misy fahasarotana. Tsy tokony ho fatra-panome tsiny ny hopitaly ny olona satria tena sempotra ihany koa ry zareo. Ny olona no tokony hitandrina. Aleo tsiahivina fa ny Filoha Brezilianina Jair Bolsonaro, dia tsy nety nanao fihibohana, fa hoe mamotika ny toekarana, dia io fa hatramin’izao sasatry ny mandevina isan’andro. Ny any Eoropa izay tena efa lasa lavitra amin’ny rafitra ara-pitsaboana aza sahirana ka aiza ho aiza amin’ireny isika ?

 Toky R

Dans la même rubrique