airtel

Covid 19

14-avril-2021

Covid 19

Famendrahana fanafody “Tsy olana na atao matetika aza”

Sample post image

Mety tsara, raha ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo, Fidy Bariniaina, ny famendrahana ny toerana hifaneraserana

14-avril-2021

 

 

 

 andavan’andro na trano fonenana io na toeram-piasana sy hafa. Mila tandremana anefa andrao mitapoka izy ireny, hoy izy, ary tsy araka ny tokony ho izy ilay fatram-panafody fa rano no mameno azy. Mba ialana amin’ny fisandohana dia tena ilaina hoe fanafody voamarin’ny manam-pahaizana no jifaina. Tsy misy olana, hoy izy, na matetika aza no hanaovana ny famendrahana. Nanamafy izany ihany koa ny Dr Marius Ramaroson saingy nilaza kosa izy fa tsy resy lahatra amin’ny tena fiantraikan’izay famendrahana izay amin’ilay resaka fisorohana sy famonoana valanaretina. Ny fahitako azy, hoy izy, dia mitovy amin’ny fanajana ireo fepetra sakana no mety ho fiantraikany. Mahafaty kely izay vitany ho an’ireo “virus mipetaka amin’ny rindrina na lamba, ohatra, ilay izy saingy tsy mbola nisy nikaroka ny tena vokany hatreto ary ny ankamaroan’ny fifindran’ny Coronavirus izao dia saika fantatra fa tamin’ny alalan’ny fifampikasohana. Tadidio koa, hoy hatrany izy, fa tsy maintsy misy ny karazan’olona tsy mahatanty na “allérgique” amin’ireny zavatra ireny kanefa raha ny tokony ho izy dia hoe isaky ny misy olona avy mivezivezy dia tokony ho fendrahana hatrany ilay toerana, hoy izy. Ny fanaovana hevoka moa no tena isany hampirisihin’ireto mpitsabo ireto ary nambaran’ity farany fa tsy tokony hihoatra ny in-droa isan’andro ary 10 minitra ihany.

J. Mirija

Dans la même rubrique