airtel

Covid 19

26-avril-2021

Covid 19

Fampiharana ny Fihibohana Nihena 50% ny fidiram-bola’ireo trano fandraisam-bahiny

Sample post image

Isan’ireo trano fandraisam-bahiny mbola nandray mpanjifa ny alin’ny zoma teo ny Espace Tinay Lodge,

26-avril-2021

 

 Isoavina Ambanitsena, lalam-pirenena faharoa, PK 22. Ny atoandron’ny zoma avokoa ireo fianakaviana miisa 2 noraisin’izy ireo tamin’iny alina iny no nanao famandrihana. Araka ny fanadihadiana natao dia filana rivo-baovao manoloana ny aretina no nanararaotan’izy ireo nisintaka kely tany amin’ity toerana somary mikisaka ny renivohitra ity. Anio alatsinainy rahateo avokoa, mazava ho azy sy nambaran’izy ireo, vao miakatra ny renivohitra itoeran’ny asa aman-draharaha sahaniny avy ireto mpanjifa ireto miaraka amin’ny fianakaviany. Ala voly manaja fepetra ara-pahasalamana Ezahana manaja fepetra ara-pahasalamana hatrany, raha ny fanazavan’ny tekinisianina sy mpandray vahiny na “réceptionniste” ao an-toerana, Vonjy Randriambelomanana, ny ala voly sy zavatra atao rehetra ao an-toerana. Mihidy ny Karaoke. Misokatra kosa ny kianja filalaovam-baolina isan-karazany ho an’olona vitsivitsy. Misy toerana azon’ny ankizy hilalaovana ihany koa. Ny andro moa mangatsiaka aty an-toerana ary saika tsy dia liana amin’ny filomanosana ny mpanjifa, hoy hatrany ny fanazavana. Na izany aza anefa dia tsikaritra ho nangina avokoa ireo toerana voalaza ireo.

 

Fihibohana tanteraka

Saika ahitana rano anaty zerikanina sy savony eo akaikiny hanasana tanana avokoa ireo toerana rehetra misy hetsika ao an-toerana. Io no mamono valanaretina haingana indrindra, raha ny fanazavana hatrany. Na teo aza anefa ny ampahana fahalalahana nomena ny mpanjifa dia tsikaritra ho nangingina hatrany tao anatin’ity toeram-pandraisam-bahiny ity iny sabotsy sy alahady iny. Niatrika fihibohana tanteraka ireo mpanjifa. Nihena 50% ny fidiram-bola Raha ny raki-tsoratra amin’ny tabilao mikasika ny mpanjifa nandalo nanomboka ny alatsinainy teo ka hatramin’ny zoma, fotoana farany nandraisam-bahiny, dia “Bungalow” iray no nisy naka ny alatsinainy teo. Talata tsy nisy tonga. Alarobia nisy 1. Alakamisy no nisy niisa 3. Tsy nijanona natory ireo fa nandalo naka rivotra madio sy nitady toerana mangina, hoy hatrany ny fanazavana, ary efa saika mpanjifa tsy mahafoy. Niisa 4 kosa no tonga ny zoma ary nisafidy ny hanao fihibohana tanteraka aty Isoavina Ambanitsena noho izay fitiavana hisintaka kely ny rivotr’Antananarivo izay, hoy hatrany ny fanazavana. Izany hoe niisa niisa 9 ireo mpanjifa nandalo tao anatin’ny herinandro. Rehefa amin’ny fotoana mahazatra hatramin’izay anefa misy 2 na 3 tonga foana isan’andro ary hatramin’ny mpitsangatsangana aza mandalo. Nihena hatrany amin’ny 50% eo ho eo ny fidiram-bola. Mihidy rahateo ny lalana. Miisa 5 eo ireo mpiasa manodina ity Espace ity rehefa andavanandro, hoy ny fanamarihan’ny tompon’andraikitra, fa rehefa faran’ny herinandro dia manampy olon-kafa miisa 3 eo, izany hoe, raha atotaly dia miisa 8 eo izahay no miara-miasa ato.

Nanatontosa sy nandrindra: Jaonary Mirija

 

Dans la même rubrique