airtel

Covid 19

12-avril-2021

Covid 19

Fanafodin’ny coronavirus Manomboka sahirana ireo CSB

Sample post image

Tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia 07 janoary no namoahan’ny Fanjakana

12-avril-2021

 

 

 

 fa hisy ny lamina manokana handrindrana ny fitantanana ireo fanafody fitsaboana ny covid-19, ka hisy fanaraha-maso izany eny anivon’ny CTC, ny hopitaly, ary ireo CSB. Nomarihina tao anatin’izany fa tsy tokony hividy ny fanafody natokana hitsaboana amin’ny covid-19 ireo marary eny anivon’ireo toeram-pitsaboana ara-panjakana, toy ny azytromicine, magnesium, vitamine C, lovenox, dexamethasone, CVO, CVO+. Tsy izay no tena zava-misy, tsy maharaka sy tsy ampy ny fanafody. “Ilazana isika marary fa mbola tsy tong any fanafody covid-19 maimaimpoana”, “ny marary tonga aty amin’ny CSB II aorian’ny amin’ny 4ora dia ny sage femme de garde no mandray, Misaotra Tompoko”, io no soratra nataon’ny mpitsabo teny Faliarivo Ampitatafika ny sabotsy teo. Ny fanamarihan’ny olona aza, dia efa herinandro no nisy olana hatrany. Izany ve no ampy sy maharaka? Midika aloha io fa maro ny filàna fanafody, tena mitombo be ny tranga, kanefa tsy niomana na tsy ampy fiofanana ny Malagasy.

 Toky R

Dans la même rubrique