airtel

Covid 19

22-févr-2022

Covid 19

Fanamby ara-baksinin’ Analamanga Hakarina 50% ireo 17% amin’ny tanjona 2 tapitrisa

Sample post image

Notanterahina ny 20 febroary 2022 nanoloana ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo ny fanokafana ny hetsika fanaovam-bakisiny eto Antananarivo Renivohitra sy ireo Kaominina 37 manodidina eto Analamanga izay mivondrona

22-févr-2022

 ao amin'ny IPAM na Ivom-panajariana ny Tanànan'Antananarivo sy ny manodidina. « Ny 17%-n'ny mponina noheverina fa hatao vakisiny ihany no efa vita vakisiny feno teto. Toa tsy rototra loatra amin'ny fanaovam-bakisiny ny mponina eto Analamanga na misy aza ny vakisiny sy ny toerana fanaovam-bakisiny. 2 tapitrisa no heverin'ny fitantanana ny fahasalamam-bahoaka eto amin'ny faritra Analamanga hatao vakisiny, nefa ny 17% ihany no efa nahafeno ny vakisiny rehetra », hoy ny Dr Lalie Raharimamonjy, talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga. Tonga nanotrona ny lanonam-panokafana ity hetsika ity ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra mivady, ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola. Nanome modely ho an'ny rehetra ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra Andriamatoa Naina Andriantsitohaina tamin'ny nanaovany vaksiny fatra "boost" fahatelo nandritra ity hetsika ity teto amin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo. Heverina fa hanatsara ny tahan'isa ho 50% ny fikarakarana hetsika atao eto amin'ny faritra Antananarivo sy ny manodidina. Ankoatra ny fampahafantarana ny fisian'ny tolotra dia natao ho fanentanana ny mponina hanao vakisiny ihany koa ny hetsika. 1 tapitrisa amin’ny tanjona 2 tapitrisa izany no fanamby amin’ity andiany ity. Maharitra 30 andro izy ity ary toeram-panaovam-bakisiny mifindradindra sy toerana vaovao 14 no atsangana handraisana ireo mponina. Ho hita avokoa ireo karazam-baksiny Covishield, Pfizer, Sinopharm, ary ny Johnson & Johnson. Ankoatra ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, dia isan’ny niatrika ny lanonam-panokafana ny ffanaovam-baksiny ny Solontenan’ny Masoivoho Amerikanina, ny OMS na Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fahasalamana, ny UNICEF na ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny ankizy, ny Minisiteran’ny Fahasalamana.
Toky R
Légende: Ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina nanao ny fatra fahatelo omaly
 

Dans la même rubrique