airtel

Covid 19

08-déc-2021

Covid 19

Fanaovana vaksiny Manentana fatratra ny Amerikanina

Sample post image

Nanamafy ny fanohanany ny hatrany ireo toerana fanaovana vaksiny eto Madagasikara tamin’ny alalan’ireo tetikasan’ny USAID ACCESS sy IMPACT ny governemanta amerikana.

08-déc-2021

 Fatratra ny fanentanana ataon’izy ireo amin’ny Malagasy, ary ny Fanjakana aza tena tsy mahavita ny vitany, kanefa fahasalamana eto Madagasikara no resahina. Anjatony ireo toerana afahana manao vaksiny. Ahitana vaksiny eny amin’ireo toeram-pitsaboana fototra CSB, ny hopitaly, ny toerana manokana fanaovana vaksiny ary ireo toerana mora afindra faovana vaksiny, hoy ny Amerikanina, izay miezaka mampahafantatra ireo toeram-panaovana vaksiny. Misy ohatra vitsy amin’ny toerana ahafahana manao vaksiny amin’ny tanan-dehibe: Antananarivo: CHU JRB Befelatanana sy CHU JRA Anosy Antsiranana 1: CSBU Tanambao Fianarantsoa, CSB2 Antsorokavo sy CSB2 Du Zoma Mahajanga 1: Hopital Mahabibo Toamasina 1, CHUM Toamasina sy CSB Urbain Toliara 1, CSB Tsimenatse Etazonia dia miara-miasa akaiky toy ny mpirahalahy mianala amin’ny governemanta Malagasy amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, hoy ny Mpiandraiki-draharaha Amerikana eto. Ny sampan-draharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena USAID dia nanome fanampiana mitetina 5 100 000 dolara, tamin’ny anaran’ny vahoaka amerikana, hanafainganana ny fahazoan’ny rehetra tsy misy ankanavaka vaksiny hiadiana amin’ny Covid ary hisorohana ny fipariahan’io aretina io, 2 500 00 dolara hiatrehana ny hamehana tamin’ny fampitomboana ireo fitiliana ny areti-mifindra sy ny fitaovana fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana Malagasy ary 5 000 000 dolara ho fanohanana ny fandaharanasa Tosika Fameno hanampiana ireo fianakaviana marefo miaina an-tanan-dehibe ho afaka misakafo. Ny Peace Corps ihany koa dia nanohana ny ezaka ataon’ny governemanta Malagasy hanaovana vaksiny any Mantasoa. Nilaza I Etazonia tamin’ny alalan’ny solontenany eto fa hanohy hatrany hanao izay efany hananganana tontolo azo antoka sy voaaro manoloana ny ambana ateraky ny areti-mifindra.
Toky R
 

Dans la même rubrique