airtel

Covid 19

30-mars-2021

Covid 19

Fangatahana vaksiny Hambom-po no hanaovana sorona ny aim-bahoaka ?

Sample post image

Tafapetraka ny 26 martsa lasa teo ny taratasy fisoratana anarana nosoniavin’ny Minisitry ny fahasalamana Minisitra Rakotovao Hanitrala Jean Louis,

30-mars-2021

 

 

 

 fangatahana ny mba ahafahan’i Madagasikara miditra ho isan’ireo firenena misitraka vaksiny amin'ny alalan'ny Initiative COVAX. Miantefa amin’ny Lehiben’ny GAVI izay miantsoroka ny resaka fanapariahana vaksiny io. Nambara, fa isan’ireo voakasiky ny valanaretina covid-19 I Madagasikara nanomboka ny 20 martsa 2020, ary manetsika ny hery rehetra ananana sy ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hoenti-miatrika ny valanaretina. Nisaotra ny GAVI, ny OMS, ny CEPI (Coalitition pour les innovations eny matière de préparations aux épidemies) ny Fanjakana eo anatrehan’ny finiavana hanamora ny fisitrahan’ny firenena mahantra vaksiny amin’ny alalan’ny “Initiative Covax” ahafahana misitraka tsy misy fitanilana ny vaksiny azo antoka sy mahomby. Mijery akaiky ny zava-misy maneran-tany I Madagasikara, ary mandray anjara ao anatin’io finiavana io, hoy ny ambangovangon’ny fangatahana, izay miandry setriny… Rehefa tena jerena, sady ao anatin’ny onja faharoa isika no ao anatin’ny onja voalohan’ilay “Variant Sud Africain”, izay mahery vaika sy haingam-pifindra. “Anatin'ny 2ème vague amin'ny Covid 19 isika izao ka tena mila mitandrina sy mikaroka ny fomba rehetra hanakanana ny fiparitahan'ny aretina”, hoy ny minisitra nandritra ny fitsidihana nataony teny amin’ny CTC-19 Mahamasina ny faran’ny herinandro teo.

HAMBOM-PO NO NANAOVANA SORONA VAHOAKA ?

 Na inona na inona ambaran’ny Fanjakana, dia mpitondra mitavozavoza, mpilalao aim-bahoaka, manao tsirambina isak’izay mandeha no misy eto. Tsy manana fanetren-tena fa baikoan’ny hambom-po politika, manao vava tsy ambina,… Nandeha fangatahana fanakatonana sisin-tany, dia hoe izahay izao no eto, tsy mafy noho ny pesta io, kanefa nanidy ihany avy eo rehefa tafiditra ny aretina. Nandeha vaksiny, dia nifanipaka ny tenin’ny Mpitondra. Ny minisitry ny toekarena nilaza fa isan’ny nampitombo ny tetibolam-panjakana ny 2021 ny fiomanana hividy vaksiny. Ny minisitry ny serasera nilaza fa tsy hividy sy hanafatra vaksiny indray. Izao anefa miverin-dàlana, efa mafy ny ady vao hoe: hanafatra vaksiny indray isika. Ny an’i Israel izay firenena isan’ny matanjaka eto ambonin’ny tany, mbola tsy nivoaka akory ny vaksiny no efa nanao kaomandy, ary 60% amin’ny vahoaka no vita vaksiny amin’izao. Ny Vondrona Eoropeanina nandrahona ny AstraZeneca hanakana ny fandefasana vaksiny ivelan’I Eoropa satria 30 tapitrisa amin’ny kaomandiny 120 tapitrisa no azony. Ny antsika kosa ny Filoha mihitsy no nihazakazaka toa nitsongoloka ilay olana teo amin’ny vaksiny, toy ny an’ny AstraZeneca. Izao efa mafy ny ady vao hoe: aleo izahay mba hisitraka vaksiny ihany! Izany ve no fahaiza-mitantana ?

Toky R

Dans la même rubrique