airtel

Covid 19

27-juin-2022

Covid 19

Faritra Analamanga Mitombo isa hatrany ireo voan’ny Covid 19

Sample post image

Marina fa eo ny fety sy ny karazan-danonana mifanarakka amin’izay , saingy tsy tokony odian-tsy hita ny fiakaran’ny tarehimarika indray momba ny valanaretina Covid 19 eto Madagasikara.

27-juin-2022

372 ny tranga vaovao tamin’iny herinandro lasa iny izany hoe ny 18 ka hatramin’ny 24 jona.Ny faritra Analamanga hatrany no lohalaarana amin’ny fahamaroan’ireo voa satria mahatratra 324.Laharanna faharoa i Vakinankaratra (25) ary fahatelo i Matsiatra Ambony (7).Tsara ho marihana fa 324 ny tranga vaovao herinandro mialohan’io, izany hoe ny 11 ka hatramin’ny 17 jona, raha toa ka 207 ny teo alohan’izay ny 4 ka hatramin’ny 10 jona.Raha atambatra kosa dia 18 ireo “forme grave” ary 2 no namoy ny ainy.Ny andro miha mangatsiaka sy ny fitomboan’ny fifampikasohana no tena antony, ary mazava be ny ambaran’ny tarehimarika satria ho an’Antananarivo dia tena vahoaka maro be tokoa ny mifamezivezy sy mifampikasokasoka isan’andro ka izay no maha maro ny voa.Mampatsiahy hatrany ny mpitsabo fa mila manaja ireo fepera ary tokony samy mbola hiaro tena ny tsirairay.Miaro ary mahavonjy ny vaksiny ary maro ireo efa nijoro vavolombelona momba izany.Tsy dia hita taratra firy intsony kosa ny dokam-barotra be momba ny CVO, ary raha ny fanadihadiana natao ihany koa dia efa samy manana ny paikadiny hiatrehana ny aretina ny isan-tokantrano na amin’ny fanafody io na ny karazan-tsakafo mampitombo hery fiarovana hohanina.
RTT
 

Dans la même rubrique