airtel

Covid 19

18-janv-2021

Covid 19

Fepetra sakana Covid-19 Hanenjana ny polisim-pirenena

Sample post image

Tao anatin` ny herinandro dia hentitra ny mpitandro filaminana amin` ny

18-janv-2021

 

 

 

fampanajàna ireo fepetra ara-pahasalamana. Nitombo isa ireo tranga voamarina fa mitondra ny tsimok`aretiina Covid-19. Izany moa dia vokatrin` ny goragora amin`ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana. Taorian` ny kabarin` ny Filoham-pirenena ny 18 oktobra 2020 nanambara fa foana ny fahamehana ara-pahasalamana dia nivaha tsikelikely ny fampanarahan-dalàna. Eny an-dalambe, dia maro ireo tsy nanao aro vava intsony. Vao mivadika any anelakelan-trano dia efa esorina ny takom-bava. Tsy voahaja intsony koa ny elanelana na amin` ny fisisihana taxi-be, amin`ny hariva na eny an-tsena na eny an-dalana. Ho an`ireo fiara fitateram-bahoaka moa dia lasa gaboraraka. Tsy misy intsony ny fampiasana “gel désinfectant” zaraina amin` ny mpandeha. Ny mpamily sy ny resevera moa dia tsy manao ny arotava natokana ho azy ireo. Misy mihitsy ary ireo sahy manao dimidimy ny sezany raha voafetra ho efatrefatra ho an` ny fiara “Sprinter”, “Crafter”, sns… ary tsitelotelo ho an`ireo fiara “mazda”. Any an-tsekoly moa dia efa tsy misy intsony ny fanaovana aro vava sy fanajàna ny isan` ny mpianatra isan-dakilasy. Araka ny fepetra napetraka mialohan`ny hidirana an-tsekoly ny volana oktobra lasa teo, dia tsy mahazo mihoatra ny 25 ny isan` ireo mpianatra isaky ny kilasy iray. Nandritra ny fidinan` ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny contrôleur général Fanomezantsoa Randrianarison, tany amin` ny faritra Bongolava sy Itasy, dia hentitra no nilazany ireo toromarika amin` ny fanamafisana ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana amin` ny ady amin` ny valanaretina Covid-19. Araka izany, azo antoka fa hanenjana ny mpitandro filaminana amin` ny fampanajàna ny lalàna amin` ity herinandro ity.

Marigny A.

Dans la même rubrique