airtel

Covid 19

15-janv-2021

Covid 19

Fianarantsoa Olona 2 matin’ny covid-19 omaly

Sample post image

Nisy olona 2 indray no nindaosin'ny fahafatesana omaly tao Fianarantsoa, araka ny vaovao azo avy any an-toerana.

15-janv-2021

 

 Tamin'ny 4 ora maraina no namoy ny ainy teny amin'ny CHU Andrainjato ny lehilahy iray tokony ho 60 taona mahery, rehefa notsaboina teny nanomboka ny alatsinainy. Omaly tapany maraina ihany koa, fa tokony ho tamin'ny 11 ora, dia nisy olona iray ihany koa maty teny ambony fiara, an-dàlana ho eny Andrainjato. Mbola tsy voaray moa ny mombamomba ity faharoa. Nalevina ao Ampasambazaha ny tolakandro io. Tao anatin'ity fiandohan'ny taona ity, dia voalaza fa 5 no efa nindaosin'ny fahafatesana vokatr'ity aretina covid 19 ity tany an-toerana. Mbola misy ihany koa ireo tratry ny fahasarotana (forme grave), tsaboina eto. Lasa miverina mirongatra indray izy ity eto Fianarantsoa, ary voalaza fa efa mihoatra indray aza mitaha ny tamin'ireny fotoana nisian'ny fihibohana ireny, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tena im-polo kely mivezivezy mihitsy ireo fiara mpitondra marary, ary mahatsikaritra an'izany ireo olona mipetraka manodidina ny làlana mankeny Andrainjato.

 Toky R

Dans la même rubrique