airtel

Covid 19

10-janv-2022

Covid 19

Fiandohan’ny janoary 54 no matin’ny Coronavirus

Sample post image

Nihena ny tranga vaovao mikasika ny areti-mandripaka Covid 19 eto Madagasikara, raha ny tatitra momba izany ny faran’ny herinandro teo na dia azo lazaina hoe vita fety aza.

10-janv-2022

 Nitombo isa kosa na izany aza ireo lavo izay 54 raha toa ka 40 izany tamin’ny herinandro faran’ny taona 2021. Raha nitotaly 2155 ny isan’ireo tranga ka ny 1985 tamin’ireo no tranga vaovao teo anelanelan’ny 25 desambra hatramin’ny 31 desambra 2021 dia nihena ho 1667 kosa izany teo anelanelan’ny 1 janoary sy 7 janoary 2022 ka 1560 sisa no tranga vaovao voaraki-tsoratra. Nitombo ihany koa ny taham-pahasitranana satria raha 1277 izany tao anatin’ny vanim-potoanan’ireo fety, izany hoe, 87,70%, dia tafiakatra 2293 farany teo, izany hoe, 89,24%. Raha niisa 1067 kosa ireo namoy aina vokatr’ity aretina ity tao anatin’ireo fety, izany hoe, 2,03%n’ireo narary dia tafakatra 1117, izany hoe, 2,06% izany farany teo. Ilaina hatrany ny fahamailoana sy ny fanarahana ireo toromarika ary sakana ara-pahasalamana mahazatra rehetra miampy izay fitandremana hafa azo atao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique