airtel

Covid 19

21-juin-2022

Covid 19

Fiarovan-tena amin’ny Covid 19 Mahatohitra valanaretina kokoa ireo olona vita vaksiny

Sample post image

Miha mitombo ireo mararin’ny valanaretina coronavirus tato anatin’ny 3 herinandro izao indrindra fa ho an’ny faritra Analamanga, izay be olona mifamezivezy.

21-juin-2022

Niverina misy namoy ny ainy indrray ary misy ireo anaty fahasarotana na ‘’forme grave’’.Tsy hoe zavatra atao mahagaga be ny mitranga hoy ny mpitsabo fa lojika be satria mahazo aina amin’ny andro mangatsiaka ilay viriosy ary mora miparitaka.Na izany aza anefa ambany ihany ny tarehimarika raha oharina tamin’ireo tranga vaovao ny taona 2021 sy 2022 raha ny volana mey sy jona no resahina.Efa manamafy ny fanentanana ny amin’ny fanajana hatrany ny fepetra ny eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ka ny tsirairay no tokony ho tompon’andraikitra sy tonga saina.Tsara kokoa ny manao vaksiny satriia efa voaporofo fa mahatohitra kokoa ny aretina ireo olona vita vaksiny; manodidina ny 20% moa amin’izao fotoana ny tahan’ny fanaovam-baksinin’ny Covid 19 ho an’ny faritra Analamanga.Taha tena mbola ambany kanefa eto no tena miparitaka indray ny valanaretina amin’izao fotoana.Tsy misy tokony ahiana na atahorana, hoy hatrany ny mpitsabo fa zavatra efa nandalo fitsirihana sy sivana maro samihafa ireo vaksiny tonga eto Madagasikara ireo, ary tsy marina mihitsy ny hoe ambikambim-baksiny no nafarana sy zaraina eto, raha ny fanamarihana azo avy ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, izay manentana hatrany ny olona hanao vaksiny.Mampatsiahy ihany koa fa ilaina ny fanaovana ilay fatra fahatelo na “dose boost”; izany no atao dia mba hampandaitra kokoa ilay fanefitra.Ny any amin’ny firenen-kafa za moa efa nisy niditra amin’ny fatra faha efatra mihitsy.Tsy mbola ho ato ho ato no hharingana ity valanaretina ity raha ny fandinihan’ireo manampahaizana any ivelany ka noho izany tsy maintsy mivonona miara-miaina aminy aloha ny olombelona ka izay no maha zavadehibe ny fanaovana vaksiny, ho fiarovan-tena tahaka ny antony hanaovana ireo karazam-bakisiny hafa .
RTT
 

Dans la même rubrique