airtel

Covid 19

09-avril-2021

Covid 19

Fiarovana sy fitsaboana covid-19 An-dalam-paharitrana ny fanafody

Sample post image

Ahitana filaharana avokoa ireo toeram-pivarotana fanafody eto Antananarivo Renivohitra ka an-jatony

09-avril-2021

 

 

maro no tonga manjifa fanafody amina farmasia iray isan’andro. Ny 50 ka hatramin’ny 70% amin’ny mpanjifa, dia fanafody hiarovana sy hiadiavana amin’ny coronavirus avokoa no tadiaviny. Tsy ahitana ireo karazana fanafody toy ny Magnésium sy Vitamine C intsony ny ankamaroan’ny farmasia, ary na misy aza dia nahitana fisondrotana hatrany amin’ny 30% na mahery aza ny vidiny. Ny Vitamine C, izay novidiana manodidina ny 1000Ar tamin’ny fotoana mbola tsy nisy coronavirus, ohatra, dia 4200Ar ny vidin’izany alatsinainy lasa teo, ary efa 4500Ar ho an’ny omaly. Miharitra sy tsy ampy intsony na lany ny tahiry ny farmasia sy ny mpamatsy fanafody satria tafiditra ao anatin’ny filàna eran-tany ireny fanafody ireny, fa tsy ho an’I Madagasikara ihany. Noho ny fahamailoana sy ny horohoron-tsaina kosa, dia maro ny olona no miezaka mividy sy manao tahirim-panafody eto amintsika. Mila hitadiavana vahaolana io satria tena mijaly sy sahirana ny vahoaka. Tsy ampy sy tsy maharaka intsony ny tolotra ara-panafody mifandraika amin’ny valanaretina, ary ahiana ho ritra, raha tsy misy dieny izao ny fikaroham-bahaolana. Sanatriavin’ny vava ho lasa bizina tahaka ny “oxygène” indray io ato ho ato.

Toky R

Dans la même rubrique