airtel

Covid 19

30-mars-2021

Covid 19

Fiatrehana covid-19 any Mahajanga Tsy ampy ny fitaovana sy ny mpiasan’ny fahasalamana

Sample post image

Tsy nentina hamendrofendroana sanatria fa mba tena hisainan’ny rehetra, andraisan’ny tsirairay ny andraikiny avy, …

30-mars-2021

 

 

 

tsy vita am-po onena, hoy ny fitantarana mpiasan’ny fahasalamana iray ao Mahajanga eo anatrehan’ny lesoka goavana amin’ny fiatrehana ny valanaretina covid-19. “Dokotera 2 zahay no miaraka manao garde miantoka ny 24ora. « internes » no asain-dry zareo manampy anay. Benevoles na mpilatsaka an-tsitrapo, mbola tsy nahazo ariary daholo no notambazan’izy ireo toerana any aorina no natao mpiandraiki-draharaha, mpamafa trano, tsy misy mpanosika marary fa izahay ihany no sady manosika marary no mitsabo”. Tsy misy « infirmières » fa « techniciens de labo » no nalefan’ny Fanjakana, tsy mifanaraka amin’ny fiofanana nomena an-dry zareo ny zavatra ampanaovina azy, fa zara aza hoe manaraka ny baiko midina,…. dia lasa izahay daholo no misahana ny rehetra, hoy ny fazanavana. Amin’ny 06 Ora hariva vao misakafo atoandro. Tsara ny trano saingy tsy misy Oxygène fa voafetra ny isa nefa ny “saturation” an’ny marary mila +5litatra… Tsy misy “mesures”, tsy ampy “personnel” fa… Iray andro sy tapany any amin’ny hopitaly dia iray andro sy tapany matory… « 80 hospitalisés ato, saika “cas assez graves” daholo. Eritrereto hoe raha omeko 5mn avy fotsiny ireo marary 80 ireo dia efa 400 minitra vao vita ny “visite”, kanefa mbola mila mihaino azy ireo satria tena efa matahotra be zareo… Mila “ajuster”-na ny serum na soloina na ametahana “veine” na andefasana fanafody dia lasa 15mn ny olona iray dia lasa adiny firy vao vita izy rehetra, tara ny fanafody mazava ho azy satria vita “visite” izay vao afaka manao “demande sur protocole” fanafody,... Ampahany amin’ny olana ireo, fa tena mila jerena. Mila mitandrina ihany koa ny rehetra satria rehefa mitombo ny tranga, tsy maharaka ny mpitsabo.

Toky R

Dans la même rubrique