airtel

Covid 19

30-mars-2021

Covid 19

Fiatrehana ny Covid-19 Hipoka ny hopitaly, hifampitadiavana ny “oxygène”

Sample post image

Sesilany ny fahafatesana olona eny amin’ny fiaraha-monina ankoatra ny mivoaka amin’ny haino aman-jery samihafa.

30-mars-2021

 

 

 Eo ny fahafatesana toy ny fahafatesana rehetra, fa maro ihany koa no vokatry ny valanaretina coronavirus. Isan’ny olana goavana amin’izao fotoana izao ny fahatsentsenan’ny hopitaly, ny tsy fahampian’ny “oxygène”,… Izay hita ho tsy dia atahorana halefa mody sy homena fanafody, saingy tsy hay izay ho fivadian-javatra tampoka any avy eo. “Nodimandry io maraina io ny rafozam-baviko noho ny coronavirus nahazo azy, hoy ny fijoroana vavolombelona niely tamin’ny tambajotran-tserasera ny faran’ny herinandro teo. Hopitaly 6 no nantsoina, saingy tsy nisy afaka nandray ka feno avokoa ka ny tao Befelatanana no nandray sy nitsaboana azy farany. Hifampitadiavana ny “oxygène” ao Antananarivo, ary ary lafo dia lafo ny vidiny, 1 tapitrisa hatramin’ny 1,2 tapitrisa ariary ny tavoahangy maharitra adin’ny roa, raha sendra mahita aza. Tsy mitsaha-mitombo ny olona voan’ity aretina ity hatreto, koa arovy ny tenanao sy ny manodidina anao”, hoy io fijoroana vavolombelona io. Tsy mifidy ny valanaretina, mihasarotra ny fandraisana an-tànana, ka tsy mitsahatra ny manentana izay tandrify isika hoe: samia mitandrina, fa tena efa loza amin’atambo io.

Toky R

Dans la même rubrique