airtel

Covid 19

13-juil-2022

Covid 19

Fiatrehana ny Covid 19 Ilàna fanamboarana ny toe-po sy ny toe-tsaina

Sample post image

Efa tafakatra 300 mahery amin’izao ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika. Tena betsaka izany antony mahatonga ireo olona sasany hatahotra mafy ka tsy mety hivoaka ny trano.

13-juil-2022

Nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa ilana fanamboarana toe-po sy toe-tsaina ny fisian’io aretina io. Rehefa matahotra sy mitebiteby mantsy ny olona iray raha araka ny fanazavany dia voly ny tanany, fanina izy, mety harary koa ny kibo ary malain-komana mihitsy aza indraindray. Reraka ambony ihany ilay aina hoy hatrany ity dokotera ity nefa ilay aretina tsy mbola tonga akory. Fisorohana ity areti-mandoza ity tsy ho tonga araka izany ny fanentanany ireo feno 18 taona rehetra mba hanao vaksiny. Toraka izany koa ny fihinanana CVO raha vantany vao hafahafa izay efa voamarin’ny OMS ary ny fanatsarana ny fiainana ara-pahasalamana. Tena zava-dehibe ny fahampian’ny torimaso hoy hatrany ity dokotera ity. Mety hoy izy raha afaka matory atoandro kely fa tsy variana amin’ny filalaovana finday rehefa manam-potoana iny. Tokony ho tratran’ny masoandro sy ny rivotra hatrany ihany koa ao an-tokantrano, tokony hisotro rano 1 litatra isan’andro ny olona iray milanja 50Kg, raha tsy latsak’izany ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ahitana ireo karazana otrik’aina. Notsiahivin’ny dokotera Fidy moa fa ny fanaovana akanjo mafana ihany koa dia antoka iray hisorohana ny aretina toy ny gripa sy ny kohoka tsy ho tonga indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao.

Pati


 

Dans la même rubrique