airtel

Covid 19

06-avril-2021

Covid 19

Fiatrehana ny Covid 19 Manaja fepetra raha tsy te hihiboka

Sample post image

Miditra anaty fahamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro nanomboka ny sabotsy 03 aprily 2021 i Madagasikara,

06-avril-2021

 

taorian’ny fifampidinihana niaraka tamin’ny Filohana andrim-panjakana telo dia ny Antenimierandoholona, antenimieram-pirenena, ary ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanoranana, araka ny kabarin’ny Filoham-pirenena. Mbola tsy miroso amin'ny fihibohana aloha isika hatreto, hoy ny filoha Rajoelina, saingy mitaky fitandremana lehibe sy fahatongavan-tsaina avy amin'ny tsirairay izany. Midika izany, fa rehefa tsy mitandrina ka tsy voafehy io, dia voatery tsy maintsy hiverina amin’ny fihibohana. Tena mafy ilay Covid-19 avy any Afrika Atsimo ary mahafaty haingana. Tao anatin’ny roa herinandro, 104 ireo namoy ny ainy, raha 300 no lavo tao anatin’ny herintaona. 2953 ireo voa, 1501 no sitrana. Tsy mifidy saanga ny voa sy ny lavo, nisy mpanakanto fan-daza, mpitsara, mpitandro filaminana, Tale tamina minisitera, mpitsabo, olon-tsotra,.. 30-50 taona ireo olona miditra hopitaly sy ny Ivon-toeram-pitsaboana covid-19. Miatrika fahavalo tsy hita maso isika, apetraka eo am-pelatanan'i Jesoa Kristy ny ady atrehantsika, hoy i Andry Rajoelina ary aoka samy hitondra am-bavaka ireo marary sy anaty fanaintainana. Mankasitraka, misaotra ary mankahery ireo mpiasan'ny fahasalamana aho, hoy ny filoham-pirenena.

IREO FEPETRA

Mikatona avokoa mandritra ny 15 ny sekoly sy oniversite manerana an'i Madagasikara. Mitohy kosa ny fandrafetana ny lisitry ny vatsim-pianarana; Mikatona tanteraka, tsy azo idirana na ivoahana ny faritra Analamanga, Atsinanaa, Sava, Boeny ary Nosy be. Mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny 9 ora alina ka hatramin'ny 4 ora maraina. Misokatra ireo Restaurant saingy ny antsasaky ny olona zakany ihany no raisiny. Mikatona tanteraka ny Bar, Karaoke, Nightclub. Ferana ho 100 ny olona miditra anaty fiangonama sy moske; Tsy mihoatra ny 100 ny olona anaty famoriam-bahoaka. Tsy azo atrehana mpijery ireo fifaninanana ara-panatanjahantena ary tsy maintsy atao ankalamanjana. Mbola mikatona ny sisintany. Tsy maintsy manao test PCR ireo mandeha amin'ny kaompania Tsaradia ho an'ny zotra anatiny.

 

Mikasika ny vaksiny kosa dia efa nisy ny fikaonan-doha tamin’ny Akademian’ny mpitsabo. Vaksiny anankiroa no mahafeno ny fepetra, ka dia miroso amin’ny fandraisana anjara amin’ny programa COVAX isika, hoy I Andry Rajoelina. Hafainganana ny fampidirana ireo vaksiny ireo. Tsy atao an-tery, ireo mpiasan’ny fahasaaamana, mitandro ny filaminana, ny zokiolona no lohalarana amin’ny fisitrahana izany.

Toky R

Dans la même rubrique