airtel

Covid 19

01-avril-2021

Covid 19

Fiatrehana ny covid-19 Namoaka fepetra vaovao ny Fanjakana

Sample post image

Nampahafantarina tamin’ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra omaly 31 martsa ny fanamafisana ny fepetra sy ny paika

01-avril-2021

 

 

 hiatrehana ny valanaretina covid-19. Misy ny fepetra vaovao mipetraka manomboka izao, izay misy teboka maromaro: ny CSB no mandray ny “formes légères” na tsy dia misy fahasarotana, ka izay mahatsiaro ho mikohaka, reraka, tsy tomombana tsara ara-pahasalamana ka mitondra soritr’aretina. Mandray ireo “formes modérées” izany hoe ireo manomboka miha sempotra ka heverin’ny mpitsabo fa mbola afaka ampiasana “concentrateurs d’oxygène”. Ireo hopitaly kosa no mandray ny “formes graves”, ireo efa tena sempotra be sy mila fanarahana manokana ny fahasalamany. Ho an’ny eto Antananarivo, dia etsy Mahamasina sy Village Voara ary Ivato no misy ny CTC-19, 28 kosa ny CSB afaka mandray marary, ary ireo CHU hopitaly lehibe rehetra dia mandray ireo marary misy fahasarotana avokoa, hoy ny tatitra. Maro anefa ny olona mitaraina fa tsy voaray intsony. Ho fisorohana ny fipariahan’ny valanaretina, dia notapahana fa haharitra 15 andro ny fialan-tsasatry ny paska ho an’ny mpianatra, izay hanomboka rahampitso zoma. Hisy fialan-tsasatra 15 andro tahaka izany, ary manomboka rahampitso ihany koa ny Oniversite. Hividy “générateurs d’oxygène” ao anatin’ny fotoana fohy ny Fanjakana hanampiana ireo ireo efa misy any amin’ny hopitaly mandray ireo mararin’ny covid-19, ary omena fahafahana manokana ny Minisiteran’ny fahasalamana amin’ny fikarohana ny tolo-bidy ara-dalàna. Naverina ny laharana an-tariby 914 afaka iantsoana ny BIS (Brigade d’Intervention Spéciale), ary nambara fa hampitomboina ny “ambulances” hoentin’izy ireo maka ireo marary hotsaboina. Hisy ny fanadiovana faobe ho an’ireo toerana mandray olona manerana ny Nosy hiantsorohan’ny Minisiteran’ny rano. Omena fahazoan-dàlana ireo toerana fivarotam-panafody mba ho afaka mivarotra hatrany ireo “protocole de traitement Covid-19” ho an’ireo izay mividy izany mivantana any amin’izy ireo. Tsy nohadinoan’ny mpitondra ny resaka CVO+ izay nambara fa hamafisina ny fanomezana azy io ho an’ireo rehetra mitondra ny otrik’aretina. Nambara fa tokony hampiharin’ireo mpitsabo rehetra mandray ireo marary na amin’ny sehatra tsy miankina na miankina ireo “protocole de soins” mba hahafahana mandray an-tànana haingana ireo marary mba hisorohana ny fivadihany ho “formes graves”. Ary farany, dia haverina hatsangana ao anatin’ny fotoana fohy ny PNGM (Plateforme Nationale de Gestion Médicale” hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina mba ahafahana mifehy ny fihanaky ny valanaretina.

 

Tsy voaresaka mazava tao kosa ny dingana vita amin’ny hisitrahana ny vaksiny. Ny 26 martsa no napetraka ny fangatahana mba hidirantsika ao anatin’ny “Initiative COVAX”. Nolazaina fa hijery sy handinika ny vaksiny mety amintsika saingy tsy hay na rahoviana no hisy vaksiny ho avy eto? Ny fotoana mandeha ihany, saingy mitarazoka io, mba tsy hilazana fa hodiana adala.

Toky R

Dans la même rubrique