airtel

Covid 19

28-avril-2021

Covid 19

FIJOROANA VAVOLOMBELONA Andry Ramaroson “Diso nahare tsiron-kanina loatra indray aza aho”

Sample post image

Isan’ireo avy nisedra ny aretina Covid 19 ny tale jeneraly misahana ny angovo eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo,

28-avril-2021

 

 

Andry Ramaroson, ary mbola miezaka mamerina aina amin’izao fotoana izao na dia efa lasa aza ny aretina. Araka ny fitantarany dia 1 volana lasa izay no niatombohany tamin’ny fanaviana sy areti-tenda fa amin’ilay antsoina hoe “forme légère”, kohakohaka sy ny karazany.

NIFANERASERA BE

 Ny antony dia be loatra ilay “cas contact”, hoy izy. Tsy maha menatra ahy koa ny miteny hoe indraindray tsy voahajako tsara ilay fitandremana rehetra satria variana loatra anaty asa ary amin’ny asan’ny tena moa dia tsy maintsy mifanerasera amin’ny mpiara-belona. Olana ho ahy koa indraindray ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo na fanarahana ny fisorohana ara-pahasalamana. Nandalo “forme modéré” na izany aza ilay izy fa tsy tonga “forme grave” aloha. Mora sempotra dia nilana fanampian-drivotra. Nihena be ny hery. Latsaky ny 90 ny “taux d’oxygenation” dia rehefa natao “scanner” moa dia hita hoe voa ny 15%n’ny avokavoka. Nanaraka ireo dingana fitsaboan-tena, noho izany. Naka aina sy nikarakara tena dia izao efa salama tsara izao, hoy hatrany ny tenany omaly.

NIHENA 50% ny HERY

Ny niatrika ilay herinandro voalohany no tena somary mafimafy. Tsy hoe K.O akory fa ny hery nentina niasa mihitsy no nihena tany amin’ny 50% tany. Ny herinandro faharoa, andeha atao hoe tsy nahitana ireo soratr’aretina rehetra intsony fa mbola teo ny fahakelezan’ny aina. Mety 60% angamba sisa tafajanona. Tsy nahavita nihazakazaka 1 km (hehy). Azythromicine, CVO, Vitamine C, Calcium, Magnesium, Zinc no isan’ny dingana nasaina narahana fa mbola nampiako Argent colloïdale. Nievoka foana koa aho. Ravintsara, Eucaliptus, Romba nevohana maraina, atoandro, hariva tamin’izany fa izao in-dray mandeha isan’andro.

 

 

NAHARE FOFONA BE INDRAY

Izaho manokana tsy nandalo ilay hoe tsy nahare fofona sy tsiron-kanina fa 3 na 4 andro teo angamba dia ny mifanohitra amin’izay no niainako. Diso naheno fofona sy tsiron-kanina be loatra indray aza  aho! Akondro iray toy ireny akondro feno tantely ireny ao anatiny. Yaourt koa toy ny feno tantely. Loaka zara fa misy sira toy ny mangidy sira. Na ranomanitra kely aza hanaovan’ny olona dia efa henoko be. Ny hafatro dia hoe aza manao tsirambina toa ahy an’io aretina iofa mafy ny niatrika azy. Manaova ampy torimaso. Mahereza misotro rano 2 litatra fara fahakeliny isan’andro. Mahaiza mitanin’andro kely fahefak’adiny isan’andro. Mahaiza misakafo mba vokatra biolojika tsara fa tsy be hena loatra sy ny karazany, hoy hatrany izy, ary aza adino ny misaotra an’Andriamanitra.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique