airtel

Covid 19

28-juin-2021

Covid 19

Firenena 85 no ahitana ny « Variant Delta » Manomboka miverina indray ny fihibohana

Sample post image

Efa noresahintsika teto ny herinandro teo, fa miverina mandravarava indray ny valanaretina coronavirus. Lasibatry ny onja fahatelo na “3ème vague”.

28-juin-2021

 Raha 135 000 mahery teo ny isan’ny lavo hatrizay, dia niakatra ho 141 200 izy tao anatin’ny herinandro. Na 3,6% amin’ny namoy ny ainy mahatratra 3,9 tapitrisa aza dia tena mampanahy. Firenena 5 (Afrika Atsimo, Tunisie, Zambie, Ouganda, ary Namibie) ny ¾ ny tranga vaovao, saingy efa miha miitatra izany izao. Manomboka mihanaka rahateo amin'ny firenena 85 ny “variant Delta”, ary ny faran’ny herinandro teo, dia firenena Afrikanina 14 no efa nahitana azy. Mbola matanjaka noho ireo endrika hafa efa hita ity “variant Delta” avy any Inde, raha ny hafainganam-pifindrany. Efa mihanaka amin'ny firenena 85 izy izao araka ny nambaran'ny OMS. Russie no efa nanambara ny fihanak'ity variant Delta ity ho tompon'antoka amin'ny fahafatesan'olona maro be indrindra tany amin'izy ireo. Ny sabotsy lasa teo monja dia efa tafakatra 21 665 ireo tratran'ny aretina ka tsaboina, niakatra 25% ny tahan'ny olona tratran'ny aretina tao anatin'ny 7 andro, ary niakatra 33% ny isan'ireo maty. Hatramin’ny faran’ny volana aogositra, tombanan’ny Ivon-toerana Eoropeanina momba ny fanaraha-maso ara-pahasalamana (ECDC) ho ny “Variant delta” no hitana ny 90% amin’ny trangana coronavirus any Eoropa. Misongadina be ny fitomboan’io “variant Delta” any Israël, Angleterre,Usa, Russie,… na efa betsaka aza ny olona vita vaksiny.

MIVERINA MIHIBOKA….
Niverina nihiboka ny firenena maro, toa an'i Australie, Portugal, Royaume-Uni, Afrika Atsimo. Efa hita atsy Frantsa ihany koa ity variant Delta ity. Nouvelle-Zélande, nanakatona mihitsy ny seranam-piaramanidina tsy nisy fepetra teo aloha nampitohy azy amin'ny Australie. Afrika atsimo dia nandray fepetra henjana satria dia ny sabotsy lasa teo monja dia nahatratra 18 762 ireo tratran'ny aretina Covid-19, taha ambony indrindra hatramin'ny volana Janoary. Raha ny fanadihadian'ireo manam-pahaizana momba ity valanaretina ity, dia mbola ambany ny tahan'ireo vita vaksiny, ka tsy mbola tratra ny fiarovana iombonana. Ny OMS aza moa dia nilaza fa ho mafy ho an'i Afrika ity andihany fahatelo ity. Mila mitandrina ny Afrikanina, izay zara raha ny 2% eo ny tahan’ny fahavitana vaksiny raha toa, amin’io volana jolay io no kendren’ny Eoropeanina hahavitany 70% ny mponina ao aminy. Isan’ny tandindonin-doza hatrany i Madagasikara, ary mila mailo sy miomana amin’izay mety hitranga.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique