airtel

Covid 19

16-juin-2021

Covid 19

Fisiana zavatra hafa ao anaty vakisiny Tsy mitombona, hoy ny fanazavana tekinika

Sample post image

Matoa ny Astrazeneca nanome alalana ny laboratoara hanao ny Covichield ho “générique”

16-juin-2021

 

 

 

na hoe hampitovy azy aminy dia heveriko fa tsy misy fahasamihafana ireo, hoy ny dokotera mpitsabo, Marius Ramaroson, manoloana ny fangatahana fanazavana momba ity vakisinin’ny Covid 19 tonga eto Madagasikara ity. Mitovy ihany ny dikan’izay ny ao anatin’ny Astrazeneca sy Covichield, hoy ny fanazavany. Resaka stratejia ara-barotra anngamba no anton’ilay anarana samihafa satria efa nisy foana izany hatramin’izay. Toy ny hoe “Aspirine” sy “Aspro”, ny “Paracetamol” sy “doliprane” ary “Efferalgant”, izay samy paracetamol ary mitovy fiasa. Ny fanandramana vita tamin’ny Astrazeneca ihany koa no hita amin’ny Covichield. Tsy tokony hisalasalana ny fanaovana vakisiny. Raha sanatria ariantsika fotsiny ireo rehefa tapitra ny daty dia mety hisalasala koa ny mpamatsy ary tsy hanome ny manaraka intsony. Tsy hitombona mihitsy ny hahafahana mampiditra zavatra hafa ankoatran’ny vakisiny ao anatin’io. Nandeha ny resaka hoe kendrena ny haha momba ny afrikanina amin’ny alalan’io. Hentitra ny dingana sy fampandalovana toeram-pitiliana hamokarana izany vakisiny izany. Fanazavana tekinika omeko amin’ity vakisiny ity fotsiny izao, ohatra, ny hoe mety 1/100.000 no tsy fahazakan’ny olona iray na “allergie”. Dia heritrereto izany no hampidiranao zavatra hafa ao. 1/100 anefa dia efa ahitana an’izany zavatra izany. Tsy mitombona, hoy hatrany izy, ny fisiana zavatra hafa ao anatin’io ary tadidio fa ankoatran’ny maha fanefitra azy dia mampitombo ny olona tratran’ny aretina io mba tsy ahitan’ilay aretina hifindrana intsony avy eo ka hahatrarantsika ny atao hoe “immunité collective”.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique