airtel

Covid 19

09-sept-2021

Covid 19

Fitantanana ny volan’ny covid-19 Andrasana ny valim-panadihadian’ny “Cour des comptes”

Sample post image

Isan’ny nanamarika ny hamehana ara-pahasalamana nolalovantsika tao anatin’ny fotoana naharitra ny fahalalahan’ny Fanjakana tamin’ny fanapahan-kevitra raisiny amin’ny fitantanana ny firenena, raha toa ka voafetra kosa ny

09-sept-2021

 fahalalahan’ny vahoaka. Adihevitra nafotaka tao anatin’ny taona 2020 ny fitantanana ara-bola, kanefa manodidina ny 1,3 miliara dolara teo ny vola azontsika. Tena nialokalofana ny hamehana satria tsy voatery handalo antso tolo-bidy momba ny tsenam-panjakana, ohatra, ny famoaham-bola fa nandeha be ny “’nty sy ‘nday” nisiana raharaha maro ahiana ho nisy kolikoly avo lenta. Teo ny zava-niseho momba ny tany amin’ny departemantam-panjakana, fa fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe: nisy vola be nalefa tany amin’ny Fikambanana Fitia izay tarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena ve sa tsy nisy? Fanontaniana izay miainga ao anatin’ny Fanjakana sy avy aty ivelany io amin’izao fotoana izao satria ahiana ho nisy fifampidirana ara-bola teo amin’ny fanjakana sy io fikambanana io.Efa nanao nanao fanadihadiana na “enquête parlementaire” mikasika ny fitantanana ara-bolan’ny covid-19 ny loholona fa fa tsisy valiny, any amin’ny “Cour des comptes” na ny Fitsarana momba ny kaonty izany no andrandraina hamoaka ny antsipirihiny ny nampiasana ny vola. Re mantsy fa nanomboka nijery ny vola lany momba ny Covid-19 ny “Cour des comptes”. Re fa ao anatin’ny dingan'ny fijerena ny “éclatement” tamin’ny vola sy tetibola nampiasaina io rafi-pitsarana io amin’izao, fa mbola tafiditra amin’ny antsipirihany. Ho tonga hatramin’ny farany ve sa efa tratry ny tsindry bokotra? Tena afaka mitompo teny sy manome antoka ve ny Fanjakana fa nadio sy ara-drariny ny nitantanana ny volan’ny covid-19 izay azo tamin’ny fahorian’ny Malagasy?
Toky R
 

Dans la même rubrique