airtel

Covid 19

17-août-2021

Covid 19

Fitarazohan’ny fanaovam-baksiny Covid 19 Mampihisatra ny fanarenana ara-toekarena

Sample post image

Niantraika be tamin’ny fifanakalozana ara-toekarena ny fikatonan’ny sisin-tany efa ho herintaona sy tapany, raha ny fanamarihana nataon’ireo Vondron’ny orinasa tsy miankina

17-août-2021

 ara-dalàna tao anatin’ny taratasy misokatra nalefany ho an’ny Filoham-pirenena. Ho an’ny fizahantany manokana dia 800 tapitrisa euros teo ny vola tsy niditra tao anatin’ny 12 volana. Isan’ireo firenena nitontongana be ny fahatongavan’ireo mpitsidika iraisam-pirenena I Madagasikara satria -93% io, izay namparefo mivantana ny asa 300 000 isa sy tokantrano mivelona amin’ny fizahantany sy ny fitaterana. Isan’ny olana notsipihin’ny sehatra tsy miankina ny resaka fanaovana vaksiny, kanefa mitarazoka. Notsiahivin’izy ireo ny tenin’ny Praiminisitra izay naneho ny 24 jolay ny hanaovana drafi-pirenena momba ny vaksiny ka 800 000 olona no ho vita hatramin’ny 2022 ary 4 tapitrisa hatramin’ny 2023. Maneho io, fa manomboka izao hatramin’ny taona ho avy dia tsy ny 97% amin’ny vahoaka no ho vita vaksiny izany hoe marefo amin’ny valanaretina. Ho voasokajy ao anatin’ny firenena misy risika na “pays à risqué” noho izany i Madagasikara amin’ny tontolon’ny fampiasam-bola amin’ny fitsidihana sy fizahan-tany. Ahoana ny hieritreretana ny fiverenana amin’ny laonina ho an’ny raharaha ara-tsosialy sy toekarena ao anatin’izany? Ny sehatra tsy miankina dia maneho ny ahiahiny faratampony eo anatrehan’ny fahatarana mivangogo, izay tsy ahafahana mamaritra sy mamaha haingana ny zava-misy efa mampikolay, kanefa isika aza efa marefo nialohan’ny krizy ara-pahasalamana, hoy io fanambarana io. Ny fahavitana vaksiny faobe no mety ahafahana manana antoka fa voaaro. Maniry sy mangataka ny hisian’ny drafitra mazava hivoahana amin’ny krizy, ny tetiandro mazava hisokafan’ny sisin-tany ahafahana manarina ny toekarena ny sehatra tsy miankina. Ny 8 aogositra teo anefa dia naneho ny Filoha, fa mora kokoa ny sanda ara-toekaren’ny fanidiana sisin-tany noho ny fihibohana indray raha tafiditra ny “Variant Delta”.
Toky R
 

Dans la même rubrique