airtel

Covid 19

17-nov-2021

Covid 19

Fitiliana eny amin’ny Village Voara Mivaly ao anatin’ny 15 minitra ny “TDR antigène”

Sample post image

Na dia efa tsy nahitana ny valan’aretina Covid 19 intsony aza teto an-drenivohitra tato anatin’ny volana maromaro izao dia nambaran’ny dokotera Manitra Rakotoarivony tale misahana ny fampiroboroboana

17-nov-2021

 ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamana fa nisy hatrany ny fitiliana izany aretina izany teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Tsy nikatona mihitsy ity ivon-toerana ity hoy izy ary ny tena vaovao be dia efa hananantsika ilay TDR antigène hahazoana vokatra avy hatrany ao anatin’ny 15 minitra ho an’ireo manahy ny amin’ny fahasalamany. Afaka manao io fitiliana io avokoa ny rehetra raha araka ny fanazavany toy ireo nifanerasera sy nifandray tamin’ny olona narary, ireo ahitana soritr’aretina toy ny kohoka…. Toraka izany koa ireo avy manatona ny CSB II. Mikasika ny mbola fisian’ny Covid 19 eto amintsika moa na dia efa mafanabe aza ny andro dia nambaran’ny dokotera Manitra Rakotoarivony fa mbola misy hatrany io viriosy io ka rehefa tsy manaraka fepetra toy ny fanasan-tanana amin’ny savony sy ny fanaovana aron-tava dia mety ho tratrany foana. Na dia mafanabe aza mantsy ny andro hoy izy dia afaka mivelona ao anatin’ny hafanana 37degre ao anaty vatana hatrany ny viriosy raha vantany vao tafiditra ao am-bava ka ny fampiakarana ny hery fiarovan’ilay olona sy ny fanaovana vaksiny ihany no hany vahaolana tokana ankoatra ny fanarahana ireo karazana fepetra sakana.
(sary fanehoana)
Pati

 

Dans la même rubrique