airtel

Covid 19

08-avril-2021

Covid 19

Fitsaboana covid-19 Mikolay ny mpitsabo, tsy araka intsony e !

Sample post image

Vao andro vitsy izay no niteraka famoizana ain’olona tamina toeram-pitsaboana roa samihafa andraisana mararin’ny Covid-19

08-avril-2021

 

 

 

 teto Antananarivo ny fahatapahan-jiro ka tsy nahafahan’ireo “extracteurs d’oxygène” mamelona ny marary hiodina. Olana hafa indray no niseho an’ny omaly teny amin’ny CTC-19 Ivato handraisana ireo marary “cas modérés” satria miantso vonjy ny marary. Tsy nisy mpaka hafanana, tsy nisy maka tosi-drà, tsy misy manindrona eny, fa hatramin'ny « sérum » aza ny an'ny sasany mihitsoka eo ho an’ny omaly alarobia 07 aprily tapany maraina. Ny tena loza dia nisy fahatapahana ny herinaratra, ka saika nameno ny efitrano ny feon-kohaka ho an’ny marary, hoy ny fanazavana. Samy milaza ho sahirana avokoa na ny mpitsabo na ny mpitsabo mpanampy. Miverina indray ny olana ara-bola satria misy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana no mitaraina ho tsy mahazo tambiny fa miasa maina “0 Ariary”. Ahian’ny marary ho vokatry ny tsy fisitrahana tambin-karama no mahatonga ny fihetsiky ny mpiasan’ny fahasalamana, ka misy ny nangataka ny hanohy fitsaboana any an-toeran-kafa, ao ireo nangataka hody dia any an-trano no manohy fitsaboana,…

 

SAROTRA NY FANDRAISANA AN-TANANA

 

Na manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitsabo, dia tena sarotra ny fandraisana an-tànana ny marary amin’izao fotoana izao. Na misy aza ny sitrana, mitombo be ny tranga. Ho an’ny antontan’isa ofisialy, dia mahatra 2707 hatry ny omaly ireo mbola manaraka fitsaboana, ka ny 267 amin’ireo marary misy fahasarotana avokoa. Mpitsabo mpanampy iray lasa manao asana olona telo amin’izao, raha ny fanamarihana efa nataon’ny Filohan’ny Holafitry ny mpitsabo mpanampy. Sarotra ny zavatra ianana sy sedrain’ny mpiasan’ny fahasalamana, izay misy lasibatry valanaretina mihitsy, ary tao ny efa namoy ny ainy. Miverina indray anefa ny resaka olana ara-bola, izay tokony hojeren’ny Fanjakana akaiky. Mila mitandrina ny besinimaro satria tena tsy araka io, feno ny hopitaly, ary porofon’izany ny nanokafana ihany koa ny CTC-19 eny Alarobia. Samy mikaikaika sy mampitandrina ireo manana marary sy ireo marary, fa mafy ny ady, tsy an-jaza ny fitsaboana. Naman’ny efa teny an-tokontanim-pasana ny ilan-tongotra, ary ny ilany ety ivelany, hoy ny marary efa sitrana. Ny mitandrina no fanafody tsara sy mahomby indrindra.

 

Toky R

Dans la même rubrique