airtel

Covid 19

28-déc-2021

Covid 19

Fitsaboana niteraka fitarainana 17 tapitrisa sivy andro, maty fa tsisy « oxygène »…

Sample post image

Niparitaka ny fitarainana iray omaly noho ny fahatsapana fanaraotana ara-pitsaboana tao amina « Clinique » iray ao am-povoan-tanànan'Antananarivo, araka ilay vaovao navoakana olon-tsotra.

28-déc-2021

« Niditra hopitaly 9 andro ny havanay, ary maty noho ny tsy fisian'ny “oxygène”. Rehefa nivoaka ny faktiora, ny hatairana! 17.024.746 Ariary na 85.123.730FMG ny faktiora. Rehefa nanontaniana ny tompon'andraikitra : valy boraingina!
Santionany ny hoe: Misy hoe nandany 115 gants hono! Amin’ny vidiny 1500ar ny iray, natao inona doly zany? “Visite”-na dokotera miditra 10mn 40.000ar isaky ny miditra eo, dia ataovy ny fitambarany. Analyse : 240.000Ar any amin’ny Institut Pasteur, misoratra amin’ny marary 740.000ar sns sns............... Kivy tanteraka. Ny isan'ny fanafody amin'io apetapetaka fotsiny fa tsy izay tena lany tao, dia ny tena tsy manana “justificatif” satria mitsabo fa tsy nisy hoe “ticket de caisse” na tsy aiko…. Dia maty ilay olona fa tsisy “oxygène” nefa izao ny vola aloha”, hoy io fitarainana io. Henjana ny raharaham-pitsaboana eto amintsika, ary mety hisy ny fanararaotana. Mety hanana ny fanazavany ihany koa anefa ilay hopitaly voatonontonona. Na izany aza, tena goavana izany 17 tapitrisa mahery ao anatin’ny 9 andro izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique