airtel

Covid 19

07-avril-2021

Covid 19

Fonjan’i Mahajanga Gadra roa voamarina fa voan’ny covid-19

Sample post image

Voafonja miisa roa ao amin’ny Fonjan’I Mahajanga no vopamarina fa voan’ny coronavirus.

07-avril-2021

 

 

 

 Efa nandray ny fepetra hamerana ny fipariahan’ny valanaretina ny Fandraharahana ny fonja sy ny Minisiteran’ny fitsarana, hoy ny fanamarihana sy ny fampitam-baovao. Noraisina an-tànana ny fitsaboana mifandraika amin’ny valanaretina mahazo azy roa ireo, ary tsy maintsy hatokana “en quarantaine” sy tsy maintsy mandalo fitiliana kosa ireo voafonja vaovao, izay vao halefa any amin’ny toerana hitazonana ny besinimaro, raha ny fanazavan’ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Johny Richard Andriamahefarivo, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Tena zava-doza ny fahatafidiran’ny valanaretina any amin’ny fonja izany, indrindra raha sanatria efa nifangaro tamin’ny voafonja hafa vao fantatra fa voa. Hatramin’ny taon-dasa no efa nisehoana tranga tahaka izao tany Toamasina, ka nandraisana ny fepetra fa tsy afangaro amin’ny besinimaro ny vaovao raha tsy voamarina fa tsy voa. Io miseho any Mahajanga izay toerana tena hanjakan’ny covid-19 ihany koa ankehitriny, ary ny tena manahirana dia tsy ilay tamin’ny endriny taloha irery intsony, fa efa misy ilay “variant Sud-Africain” haingam-pifindra sy mamono haingana be. Mila mitandrina hatrany ny rehetra.

Toky R

Dans la même rubrique