airtel

Covid 19

21-déc-2021

Covid 19

Gripa mahery sy coronavirus “Tsy faharenesana fofona no afaka hanavahana azy”

Sample post image

Mirongatra ny gripa mahery amin’izao. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny CSB II iray eto an-drenivohitra dia mahatratra 20 isan’andro

21-déc-2021

 raha kely ireo olona tonga manatona azy ireny mitaraina ho marary an-doha, voan’ny sery, mikohoka, manakotsako vanin-taolana….Tsy voatery ho coronavirus anefa izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina na dia mitovy aza ny fitrangany. Ny tsy faharenesana fofona sy ny tsy fahenoana tsiro no nambarany fa singa roa hahafahana manavaka ny gripa mahery sy ny coronavirus saingy na izany aza dia notsindriany manokana kosa fa tsy tokony hijanona any an-tokantrano ny olona iray raha vantany vao misy ireo trangan’aretina ireo fa hanatona tobim-pitsaboana avy hatrany hahafahana tena mamantatra ny aretina. Raha sanatria ka coronavirus mantsy no mahazo ilay olona dia mety efa hamindra amin’olona maro izany raha vao tsy voatsabo haingana. Miantso ny rehetra mba ho mailo araka izany dokotera Fidy Bariniaina indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Ho an’ireo tsy mbola vita vaksiny dia miantso azy ireny mba hanatona CSB II ity dokotera ity miaraka amin’ny karapanondrom-pirenena.
Pati
Legende : Ny dokotera Fidy Bariniaina !
 

Dans la même rubrique