airtel

Covid 19

06-juil-2021

Covid 19

Hamehana ara-pahasalamana Efa tsy mivaky loha intsony ny olona

Sample post image

Niteraka resabe tao anaty tambazotran-tserasera omaly ny fahitana ny fampisehoan’ny mpanakanto Black Nadia farany tao Ambatomainty Ambatondrazaka ao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana izao,

06-juil-2021

 raha ny fanamarihan’ny mpampita vaovao. Hipoka olona tanteraka ny toerana ary tsy ahitana manao arotava intsony no sady mifampitankosina, raha ny hita tamin’ny sary aloha. Tsy sambany amin’ny tranga mampiseho fa efa tsy mivaky loha amin’izay hamehana ara-pahasalamana intsony anefa ny olona ity resaka tany Ambatomainty Ambatondrazaka ity fa saika ahitana izany hatrany tato ho ato eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny. Ankavitsiana sisa ireo mbola manao arotava, indrindra, rehefa eny amin’ny tanana misy azy avy eny.Efa nekena moa ny fiverenan’ny fampisehoana ankalamanjana araka ny kabarin’ny praiminisitra herinandro lasa izay saingy tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasallamana izany.Ka iza no manome antoka, iza no manara-maso fa nanasa Tanana tamin’ny rano sy savony na koa gel hydroalcoolique, manaja ny elanelana 1 metatra ireo olona nijery fampisehoana ? Ary araka ny haben’ilay toerana ve ny isan’ny olona tonga ? Etsy ankilan’izay milaza ny manara-maso hatrany ny fivoaran’ilay karazana Coronavirus vaovao ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary efa voahomana ny paikady momba izany. Isan’izay paikady izay ve izany ny karazan-tseho hipok’olona tahaka itony ?

J. Mirija
 

Dans la même rubrique