airtel

Covid 19

20-avril-2021

Covid 19

Herintaona aty aoriana Atao ambikambin-javatra sisa ny CVO

Sample post image

Feno herintaona katroka anio 20 aprily ny namoahan’ny Fanjakana ankehitriny tamin’ny fomba ofisialy sy nampahafantarana ny covid organics na CVO.

20-avril-2021

 

 

 Tambavy vita amin'ny zava-maniry, dia ny artemisia, izay nambara tamin’izany fotoana izany, fa entina hisorohana (préventif) sy hitsaboana (curative) ireo soritr'aretin'ny coronavirus. Lanonana natao teny Avarabohitra Itaosy misy ny foiben’ny IMRA (Institut Malagache des Reherches Appliquées) Fondation Albert et Suzanne Rakoto Ratsimamanga ny 20 martsa 2020. Ankehitriny, tsy tena miara-dàlana firy amin’ny fitondrana amin’io intsony ny IMRA. Tsy fantatra intsony izay niafaran’ny CVO,… Manana fanafody afaka hitsaboana olona 30 tapitrisa isika, kanefa ny olona voa maneran-tany 1,2 tapitrisa, hoy ny Filoha Rajoelina tamin’izany. Nozaraina tamin’ny firenena afrikanina maromaro mpikamban’ny CEDEAO sy SADC, ary niteraka karazana fientanana taty Afrika satria novoizina rahateo, fa isika no hitsabo izao tontolo izao. Noforonina hatramin’ny horonan-tsary “Johana”, nezahina nampifanojoana amin’ilay hoe misy fanafody hanavotana izao tontolo izao, saingy fanadalana saim-bahoaka sy faminaniana sandoka rehefa zohiana ny fivoaran’ny tantara tay aoiana. Nisy fotoana noterena ny mpianatra hisotro ny CVO, ary voaroaka tany ampianarana. Teny andalana nizarana vao nambara fa tsy ny rehetra no afaka nisotro azy (diabeta, tosidra, bevohoka). Nanangana PHARMALAGASY nanamboatra CVO+ (gelule) ny Fitondrana tato aoriana, ary ny 02 oktobra 2020 no nitokanana azy ? Hatramin’izao tsy misy mangaraharaha ny momba an’ireny. Tsy manakiana na manaratsy ny vokatra Malagasy fa ny tsy azo lavina kosa dia mbola misy porofo ara-tsiantifika mazava sy ofisialy maneho fa tena mahomby sy maheresy ny valanaretina ireny. Azo raisina ho porofon’ny tsy fahombiazana ny tsy faharesentsika ny valanaretina izay vao mainka mandravarava amin’izao.

Toky R

Dans la même rubrique