airtel

Covid 19

16-avril-2021

Covid 19

Hotely-Hopitaly ho an’ny covid-19 Manodidina ny 80 000Ar isan’andro ny sarany

Sample post image

Ankoatra ireo CTC-19 vao nisokatra ireo dia hisy ihany koa ireo " Hôpitaux-Hôtels " hisokatra manerana ny renivohitra, hoy ny Fanjakana.

16-avril-2021

 

 Nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 14 aprily lasa teo, dia efa nampahafantarina, fa isan’ny hatao an’izany ny Live Hotel etsy Andavamamba sy ny Tsanga Tsanga Hotel etsy Analakely. Fantatra omaly, fa 80 000Ar isaky marary no aloha isan’andro raha kely indrindra amin’ireny Hotely havadika ho hopitaly ireny. “Maro ny olona izay maniry ho eny amin’ireny toerana tsy miankina ireny. Ny zavatra tsapa dia feno tanteraka ny hopitaly. Misy ny “forme moderée” mivadika haingana ho “forme grave”.  Ho an’ny marary izay maniry sy afaka hitokana « chambre » ny Hotely-Hpitaly, ka izy ireo no mandoa ny sarany”, hoy ny Filoha.  Ny fitondram-panjakana kosa no handray an-tanana ny fitsaboana rehetra fa ny hofan'ny efitrano kosa dia ny marary no mandoa izany. Manomboka rahampitso sabotsy izao, dia hanampy ireo efa nisokatra ny Hotely Le Pavé Antaninarenina, Anjary Hotel Tsaralalana, ary manomboka ny alatsinainy dia ny Solimotel teo aloha eny Anosy. Lojika ny fitadiavana toerana hahafahana mandray ireo marary, ary safidy iray mety natao ho an’ny manan-katao izany io Hotely handoavam-bola io.Rehefa tsy omby intsony izany any amin’ireo natao ho an’ny sarambabem-bahoaka, dia mety tsy maintsy hiditra any amin’ny andoavam-bola be satria azo lazaina ho mavesatra izany 80 000Ar isan’andro izany ho an’ny madinika, ankoatra ny mety ho mbola filàna fanafody hafa ivelan’ny fitsaboana covid-19. Sao dia mitady ho lasa endrika fitadiavam-bola sy bizina ara-pahasalamana izy ity?

Toky R

 

Dans la même rubrique