airtel

Covid 19

25-mars-2021

Covid 19

Jean Louis Rakotoamboa “Tsy ho afaka eto ny Coronavirus na 5 taona aza…”

Sample post image

Henatra bevava no niseho teto amin’ny firenena, raha hiverenana ny mikasika ny Covid Organics teto amin’ny firenena,

25-mars-2021

 

 

 

 hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa, nampifandray izany amin’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Vao iray volana monja taorian’ny nahatongavan’ny aretina teto dia efa ninanaka ny filoham-pirenena fa isika no hanasitrana izao tontolo izao. Nino ny afrikanina ary maro no tonga teto sy mba nirehareha hoe firenena afrikanina no nahita fanafody voalohany. Tsy te ho aty intsony izao ireo afrikanina ireo. Tsy hitombona eto ambonin’ny tany izany hoe ao anatin’ny iray volana no ahita fanafody manasitrana Coronavirus na valanaretina hafa. Any amin’ny 122 tapitrisa any izao no tratran’ny Corona. 2,6 tapitrisa any no maty. Olona marefo ireo, izany hoe miparitaka haingana sy tsy mahafaty afa-tsy olona tena marefo ilay aretina. Ny fihetseham-po sy tahotra no betsaka ao anatin’ilay izy. Efa misy vakisiny izao. Ny Spoutnik, ny Jhonson & Jhonson an’ny Amerikanina, ny vaksiny Sinoa izao isan’ny tsara indrindra ka tokony atao vakisiny avokoa ireo olona marefo. Ny Coronavirus, hoy hatrany ny tenany, dia tsy ho afaka eto na 5 taona aza, indrindra, isika firenena mahantra, raha tsy izany no fanapahan-kevitra eto.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique