airtel

Covid 19

14-avril-2021

Covid 19

Jean Louis Robinson “Efa tena resin’ny Sinoa ny Coronavirus”

Sample post image

Hihaona amin’ny Filoha Sinoa Xi Jinping Pékin any renivohitra ny Ambasadaoro Malagasy any Chine Jean Louis Robinson

14-avril-2021

 

 

 

 anio alarobia amin’ny maha Masoivohon’i Madagasikara azy any an-toerana. Ankoatra izay. Any Chine, efa tena miaina, efa nanao fety matetika mihitsy zareo fa hoe resy ny covid-19, raha ny fanamarihan’ity masoivohontsika any Chine ity. Ity firenena isan’ny be mponina indrindra eto ambonin’ny tany ity moa ilay tena niandohan’ny valanaretina covid-19 niainga tao Wuhan, ka voa mafy tany am-boalohany. Miaina tsara ny olona ankehitriny, voafehin-dry zareo ny covid-19. Nety izany ny vahaolana nampiharin’ny Sinoa na ny fepetra io, na “protocole” nitsaboana io, na vaksiny,... Asa raha mba mety amintsika eto Madagasikara ? Isan’ny nampiavaka ny Sinoa ny fitsipi-pifehezana na ny “discipline”. Niketrika ihany koa izy tamin’ny fikarohana ara-panafody. Ny covid-19, izay nanenjehan’ny Amerikanina azy ireo ho nanapoizina izao tontolo izao, ary nandefa mpanao fanadihadiana manokana tany Chine mihitsy ny OMS momba ny tena fototr’ity aretina ity, saingy mbola baraingo hatramin’izao.

FAHALEMENA NAVADIKA HO HERIJIKA

I Chine no firenena sempotra voalohany, saingy izy no tafarina voalohany ihany koa, raha toa ka mbola lasibatra sy tsy tafavoaka anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny coronavirus izao tontolo izao, eny fa na ireo firenena matanjaka any Eoropa sy Amerika aza. Mety tsy tongatonga ho azy ny fihaonana ara-diplaomatika tahaka izao eo amin’i Madagasikara sy Chine, ka andrasana izay mety ho vokatra miabo tsoahintsika avy amin’ny Sinoa eo anatrehan’izao toe-javatra iainan’ny firenena izao. Mety ho isan’ireo vaksiny roa nambaran’ny Filoham-pirenena tamin’ny 03 aprily fa mahafeno ny fepetra ve ohatra ny vaksiny avy any Chine ?

 

Toky R

Dans la même rubrique