airtel

Covid 19

26-avril-2021

Covid 19

Kaominin’Ambohitrimanjaka 4 isan’andro no matin’ny Covid 19

Sample post image

Isan’ireo kaominina lasibatry ny Covid 19 ato amin’ny faritr’Analamanga, distrikan’Ambohidratrimo i Ambohitrimanjaka,

26-avril-2021

 

 

 

 hoy ny ben’ny tanàna Ihajason Randriamanalintsoa. Misy fotoana 48 isa no tranga misy ato. Sanatria manisa maty fa tao anatin’izay 1 volana nidiran’ity karazana Coronavirus amin’ny endriny vaovao na “variant” ity dia teo amin’ny 4 isan’andro eo no matin’ny Covid 19 eto,hoy ny fanazavany. Manao ny ezaka hanentanana ny olona hanajana ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’izany ny tompon’andraikitry ny kaominina. Mila tsaroantsika fa amin’ny alalan’ireo manam-pahaizana no hitenenan’ny filoham-pirenena ka antony hitenenana hoe aleo arahana an-tsakany sy an-davany ny fepetra voalaza. Fepetra noraisin’ny kaominina ary hanaovana antsoavo ireo mponina ny mba handevenan’izy ireo ny maty ny hampitson’ny nahafatesan’ilay olona fara faha tarany satria ny velona no tsy maintsy tsinjovina. Rakotra marary ankehitriny ny CSB eto. Miantso ny fitondram-panjakana hijery ny lafiny fanafody eto fa tena tsy ampy ny ao amin’ny CSB II, hoy hatrany ny ben’ny tanàna Ihajason Randriamanalintsoa.

J. Mirija

Dans la même rubrique