airtel

Covid 19

28-déc-2022

Covid 19

Koperativa Tselatra Miantso ny mpandeha taxibe mba hanao arovava orona

Sample post image

Tafiditra ao anatin’ny Pic na ny faratampon’ny hamaroan’ireo olona lasibatry ny areti-mandoza Covid 19 isika eto Madagasikara ankehitriny raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray.

28-déc-2022

Izany indrindra hoy izy no antony nampisy ireo olona vitsivitsy namoy ny ainy tamin’iny herinandro nivalona iny. Mila mitandrina araka izany ny rehetra raha araka ny fanazavany, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao izay mahabetsaka ireo olona mivorivory. Ho an’ny taxibe manokana izay ivon-toerana iray tena maro olona mifamezivezy dia misy ny fangatahana hataon’ny filoha lefitry ny UCTU no sady filohan’ny koperativa Tselatra ny amin’ny mba hahaizan’ny rehetra miaro tena. Tokony hanao arovava orona avokoa ireo mpandeha rehetra miditra ao anaty taxibe raha araka ny fanazavany fa tsy miandry tenenina intsony na baikoana. Tokony hahay hanampina vava ihany koa izay rehefa mikohoka na mievona hoy izy hisorohana ny piti-drora tsy hipitika. Na izany aza moa dia tsara ny manamarika fa mbola betsaka amin’ireo mpandeha ao anaty taxibe amin’izao no tsy manao arovava orona. Misy mahay vava mihitsy ny sasany rehefa tenenin’ny mpamily ilay taxibe sy ny mpanampy azy. Tsy tokony hohadinoana anefa fa soa ho an’ny rehetra ny fanaovana izany hisorohana ity areti-mandoza ity tsy hiparitaka sy hamono olona intsony. Tsiahivina moa fa efa nisy ihany koa ny fanentanana nataon’ny prefet-n’Antananarivo mikasika izany.
Pati
Legende : Misoroka aretina maro tsy hiparitaka ny fanaovana arovava orona (Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique