airtel

Covid 19

13-avril-2021

Covid 19

La Réunion kely Tsy mbola nisy voan’ny Covid 19 mihitsy

Sample post image

Tsy mbola nisy olona narary na matin’ny Covid 19 teny La Réunion kely hatramin’ny nahatongavan’ity areti-mandoza

13-avril-2021

 

 

 

 ity teto amintsika raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana Raveloson Amedée. Ireo olona marary an-dohakely na kibo no misy hoy izy na dia tena ambany tanana sy miaina anaty loto aza izahay. Raha araka ny fanazavany hatrany dia noho ny fitahian’Atra no mbola mahasalama ireo mponina eny La Réunion kely. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy midoika izany fa aretin’ny mpanam-bola ny coronavirus. Efa miparitaka mantsy ny aretina hoy izy ary mponina monina amin’ny faritra iva maro no efa lasibatra. Miezaka misoroka ny aretina izy ireo araka izany ka ho an’ny mponina etsy La Réunion kely manokana dia ilay fanajana ny elanelana 1 metatra, ny fanasan-tanana amin’ny savony ary ny fanaovana aron-tava no tena imasoan’izy ireo. Vao miditra eny am-bava lalana ny mpividy entana hoy hatrany ity sefom-pokontany ity dia efa hanaovana fanentanana mba hanao aron-tava. Anisan’ny foto-piveloman’ny mponina eny an-toerana mantsy ny fivarotaka tavoahangy plastika sy kapoaka. Marihina moa fa miisa 1.000 mahery ireo mponina ao amin’ity Fokontany iray ity amin’izao fotoana.

Pati

Legende : Maloto ny ety La Réunion kely saingy mbola tsy tongan’ny Covid 19

Dans la même rubrique