airtel

Covid 19

12-mars-2021

Covid 19

Mahajanga Misy coronavirus amin’ny endriny hafa ?

Sample post image

Efa notaterina teto omaly ny firongatry ny valanaretina coronavirus any Mahajanga.

12-mars-2021

 

 “Tena misy ny valanaretina, ary amin’ilay endriny vaovao. Misy ny endriny tsotra, ary misy ny tena sarotra sy mahafaty. Tao anatin’ny andro vitsy, dia tena nisy ny tranga. Misy ny marary hita amin’ny endriny ivelany, kanefa tampoka eo dia tena mivadika ho marary, hoy ny Talen’ny Hopitaly ao Mahavoky Atsimo, araka ny vaovao nivoaka tamina fahitalabitra iray omaly. Fahaseporana, tratra manindrona, gripa, kohaka,… no endrika isehoany. Navoakan’ny Prefektiora any Mahajanga omaly, fa 66 ny olona voa any an-toerana. Tsy mitsaha-mitombo ireo tratra. Ny 07 amin’ireo no marary mafy, ny alin’ny alarobia dia nisy zatovo iray namoy ny ainy. Hatramin’ny nanombohan’ny valanaretina nirongara indray, dia efa mitontaly 18 eo no namoy ny ainy tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatramin’izay. Tamin’ity taona ity, dia 06 no efa lavon’ny coronavirus tany Mahanjanga, araka io tatitra nivoaka omaly io. Tena miakatra ny tranga any an-toerana, ary mampanahy io hoe endriny vaovao io, izay tsy mbola voamarina aloha hatreto hoe: mitovy amin’ilay any Afrika Atsimo sy Royaume-Uni izay haingam-pifindra be ?

Toky R

Dans la même rubrique