airtel

Covid 19

11-mars-2021

Covid 19

Mahajanga Mitombo be ny trangana covid-19

Sample post image

Nanentana ny rehetra mba hiverina hitandrina mafy ny Governoran’i Boeny Atoa Mokthar Salim Andriantomanga

11-mars-2021

 

 

 

 satria tena mitombo be ny trangana covid-19 any Mahajanga. Tsapanay ary hita fa tena miparitaka ny valanaretina. Vao nivoaka tamin’ny fihibohana isika, fantatra ny olana ara-toekarena, ka andeha hajaina ny fihetsika sakana, mba samy hahatsapa hoe loza manambana. Tsy te hanao fanenjehana ny Fanjakana ankehitriny, ka tsy tokony hiandry sazy vao hahatsapa ny andraikitra. Mitalaho ny mponina rehetra na ao Mahajanga na manerana ny Nosy ity governora ity. Tsy te hanasazy, tsy te hanao “couvre-feu”, tsy te hanao fihibohana ny Fanjakana. Manomboka sahirana ny mpiasan’ny fahasalamana. Tsy maintsy manao arovava ny rehetra manomboka androany”, hoy io governora io ny talata teo. Tsara ny mampahatsiahy etsy andaniny, fa isan’ireo manampahefana nandray sy nitsena ilay mpanakanto Nocembo Zikode izay nanao fampisehoana sy namory vahoaka tamina faritra maro ny volana novambra 2020 ity governora ity. Hatramin’ny niantombohan’ny covid-19, 17 no voalaza fa lavo tao Mahajanga, ka isan’izany Profesora iray teo anivon'ny oniversite Mahajanga Lavo, mpisolo vava iray, vehivavy mpampianatra misotro ronono iray.Efa ny 04 martsa lasa teo moa no namoaka naoty ny prefen’i Mahajanga ny amin’ny tsy maintsy hanaovan’ny  rehetra arovava orona rehefa mivoaka ny trano, izany hoe rehefa eny an-dalambe, eny an-tsena, any am-piasana, any am-piangonana na any amin’ny Moske, any am-pianarana, any anaty birao.Hentitra ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana any Mahajanga mba hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina izay mety hanahirana raha tsy voafehy dieny izao.

Toky R

Dans la même rubrique