airtel

Covid 19

21-avril-2021

Covid 19

Mamely mafy ny Coronavirus 11 maty, 319 marary misy fahasarotana

Sample post image

Niakatra ho 11 indray ny lavon’ny valanaretina coronavirus ny andron’ny alatsinainy 19 aprily teo,

21-avril-2021

 

 

 

 ka Analamanga 4, Diana 3, Sava 2, Anosy 1, Ihorombe 1. Nanatombo iray tamin’ny andro teo alohany io, ary nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 563. Nisy fihenany kely kosa ny tranga izay 404 raha toa ka 593 ny teo alohany manome taham-pahafatesana 1,69%. Hita tamin’ny fitiliana 1603 ny tranga vaovao, izay manome taham-pahavoazana 25,20% izay nihena mitaha ny teo aloha, saingy mbola ambony be sy mampivarahontana izany. Teto Analamanga avokoa ny 329 izay 81,43% tamin’ny tranga, Atsinanana 19, Diana 7, Alaotra Mangoro 2, Matsiatra Ambony 14, Vakinankaratra 1, Sava 13,, Atsimo Andrefana 4, Vatovavy Fitovinany 8, Analanjirofo 3, Androy 3, Atsimo Atsinanana 1. Miisa 274 kosa ny sitrana, ka Analamanga 203, Antsinanana 13, Diana 13, Atsimo Andrefana 26, Analanjirofo 9, Betsiboka 4, Sofia 6

MITOMBO NY MARARY MAFY

Mahatratra ireo 6 342 fitsaboana amin’izao fotoana izao. Tranga misy fahasarotana ny 319, izay nisy fitomboany 22 isa satria 308 ny andro teo alohany, ary mbola nisy isa 11 niala satria namoy ny ainy. Nahatratra 351 ny marary mafy ny 17 aprily, somary nidina, ary io niakatra kely eo amin’ny 319 io. Niakatra ihany koa ny isan’ny maty tato anatin’ny roa andro izay 10 sy 11, raha toa ka 4 ny sabotsy lasa teo. Tsy sasatry ny manentana sy mandrisika ny olona hitandrina isika satria tena mbola tsy voafehy sy miparitaka ny valanaretina, ary voalohany maneran-tany isika amin’ny taham-pahavoazana ambony be mitaha manodidina ny 30% na mahery amin’ny fitiliana atao isan’andro.

Toky R

Dans la même rubrique