airtel

Covid 19

21-janv-2021

Covid 19

Mampanahy ny eny Ankatso Nahitana trangana coronavirus 29

Sample post image

Manomboka miparitaka eny Ankatso ny valanaretina coronavirus, raha ny loharanom-baovao azo.

21-janv-2021

 

 

 

 

 Tamina fitiliana 44 natao dia olona 29 be izao no indray voa teny An-tampon’Ankatso, raha ny vaovao azo omaly. Mahatratra 65,90% ny taham-pahavoazana amin’io raha hatao ny kajikajy. Nisy ny fanentanana nataon’ny teo anivon’ny CROUA, izay misahana ny resaka toeram-ponenan’ny mpianatra teny amin’ireo “Cité” misy azy ireo omaly. Ahiana ny mety ho fipariahan’ny valanaretina covid-19 eny amin’ny anjerimanontolo, izay isan’ny toerana ahitana tanora maro mivezivezy na ao anatin’ny varitry ny oniversite na eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra. Efa nisehoana trangana covid-19 hatrany amin’ny 50 mahery tany amin’ny Oniversiten’i Mahajanga teo aloha teo, izay nitarika ny fampiatoana herinandro ny fampianarana. Ahiana ho tratry ny tahaka izany ny eny amin’ny anjerimanontolon’Antananarivo, raha tsy mitombo ny fitandremana sy ny fanajana ny fepetra sakana. Tena miha miparitaka ny valanaretina covid-19, ary faritra 15 amin’ny 22 eto Madagasikara no efa ahitana azy indray, raha ny tatitra ny faran’ny herinandro teo.

 Toky R

Dans la même rubrique