airtel

Covid 19

01-avril-2021

Covid 19

Mampaneno lakolosy ny Firaisamonim-pirenena “Tena tsy ampy ny fitaovana hiatrehana ny covid-19”

Sample post image

Tafiakatra avo telo heny ny marary misy fahasarotana, satria 94 izany 15 martsa, ary tafiakatra 275 izany ny 29 martsa.

01-avril-2021

 

Na eo aza ny ezaka ny fitondrana, dia antony ny fahataran’ny fahatongavana eny amin’ny mpitsabo, fa miharihary sy tsy takona hafenina ihany koa ny tsy fahampiana ara-pitaovana eny amin’ny Hopitaly, hoy ny fanambaran’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena omaly. Misy mandray ve sy manome lanja ve ny fanadihadiana nataon’ny firaisamonim-pirenena ny volana aogositra sy navoaka ofisialy ny septambra? hoy izy ireo. Miharihary ny olana amin’ny famatsiana fitaovana ny hopitaly, raha ny voalazan’ny firaisamonim-pirenena , ka isan’izany ny tsy fahampian’ny “oxygène” toy ny eny amin’ny Hopitaly Anosiala, ary saika ahitana izany ny ankamaroan’ny hopitaly. Manginy fotsiny ny fampitaovana ho an’ny mpitsabo ankoatra ny an’ny marary. Mitaky ny mangarahara momba ny nitantanana ny fanampiana hiatrehana ny covid-19 ny firaisamonim-pirenena eo anatrehan’ny lesoka goavana tsy takona hafenina ankehitriny. Nanolo-kevitra ny hanapariahana ny toeram-pitsaboana izy ireo, ary nanipika fa toerana iray ihany no ahafahana manao fitiliana sady lavitra, ka mila hitondrana vahaolana. Ankaoatra izay, mila ampahafantarina ny vahoaka ny fotoana sy daty mazava hahatongavan’ny vaksiny sy ny fepetra raisin’ny Fanjakanana, ary tsy tokony hionona amin’ny fanampiana mitsipotipotika eny amin’ny toeram-pitsaboana ny Mpitondra, raha ny nambaran’izy ireo. Mitaky fanatsarana amin’ny lafiny maro noho izany ny firaisamonim-pirenena eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny.

Toky R

Dans la même rubrique