airtel

Covid 19

18-janv-2021

Covid 19

Mandravarava indray ny covid-19 6 maty, 300 ny tranga vaovao

Sample post image

Tafiakatra 6 ny namoy ny ainy vokatry ny valanaretina covid-19 tao anatin’ny

18-janv-2021

 

 

 

herinandron’ny 9-15 janoary 2020, ka 01 teto Analamanga, 01 Alaotra Mangoro, 04 Matsiatra Ambony. Tafiakatra 273 ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay. Miisa 300 ihany koa ny tranga vaovao, raha toa ka 234 tamin’ny herinandro teo aloha, izany hoe nitombo isa hatrany ny tranga. Fitiliana 2512 no nahitana ireo 300 ireo, izay manome taham-pahavoazana 11,94%, izay azo lazaina ho ambony tokoa. Ny 183 tamin’ireo 300 izay manome ny 61% dia teto Antananarivo avokoa; 09 tany Vakinankaratra, Analanjirofo 08, Alaotra Mangoro 02, Matsiatra Ambony 31, Amoron’i Mania 01, Vatovavy Fitovinany 18, Ihorombe 01, Boeny 16, Atsimo Andrefana 11, Menabe 03, Anosy 12, Sava 01, Diana 01, ary tranga avy any ivelany na “cas importé” 01. Ny 15 tamin’ny Faritra 22 izany, dia nahitana tranga vaovao avokoa, ary faritra 6 amin’ireo, dia mihoatra ny 10 ny tranga hita tao aminy. Mahatratra 38 ny marary mafy na “forme grave”, ka 21 Analamanga, 03 Vakinankaratra, 14 Matsiatra Ambony. Miisa 164 kosa no sitrana tao anatin’ny herinandro. Raha haravona ny antontan’isa hatramin’izay, dia 105 342 ny fitiliana rehetra vita, izay zara raha manome 0,39% amin’ny isan’ny Malagasy raha kotiana ho 27 tapitrisa ny mponina eto Madagasikara. Ny 18 301 tamin’ireo notiliana no voa, manome taham-pahavoazana ankapobeny 17,37%. Miisa 17 609 no efa sitrana, ary 419 ireo mbola manaraka fitiliana amin’izao fotoana izao. Tena miakatra ny trangana covid-19 eto amintsika, mety mbola hihoatra an’io ny antontan’isa tena izy, fa mety misy tsy hita sy tsy mbola fantatra. Vokatry ny tsy fitandremana sy ny goragora io, ary ny manahirana, dia mety ao anatin’ny iray volana na roa volana vao tena hita ny voka-dratsy. Mila mailo sy mitandrina ny isam-batan’olona ary manaja ny fepetra sakana, na misy aza ny toky omen’ny mpitondra, fa voafehy ny aretina, tsy ahiana hiakatra satria ny 40% no efa manana hery fiarovana.

 Toky R

Dans la même rubrique