airtel

Covid 19

26-mars-2021

Covid 19

Manitrikitrika ny Filoha “Tsy mandaitra amin’ny Variant Sud-Africain ny vaksiny…”

Sample post image

Tsy maintsy iarahana amin’ny siantifika Malagasy, fa tsy fanapahan-kevitry samirery,

26-mars-2021

 

 

hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, raha nihaona tamin’ny Akademia nasionaly momba ny mpitsabo. Nihaona mivantana tamin’ny filankevitra siantifika ny Filoha omaly.Nilaza fa isika dia maniry mihitsy ny hijery sy ahita hoe inona ny vahaolana mety ho an’ny vahoaka Malagasy mikasika ny vaksiny. Ny 80 mba tsy hilazana fa ny 90% amin’ny vaksiny dia mahasitrana ilay “variant” Afrikanina Tatsimo fa ilay fisehony tany am-piandohana ihany, hoy i Andry Rajoelina. Raha ny fahitana ny ankamaroan’ireo tranga anefa, dia hafa mihitsy, ka izay no nisian’ny fikaonan-doha hoe ahoana ny hevitry ny siantifika? Hoy izy. Ny zavatra misy no hifampidinihana, mila mivonona tanteraka ny fitondrana raha hiditra amin’ny vaksiny. Maromaromaro ny dingana amina fanaovana vaksiny faobe, ny fanomanana ny toerana ahafahana mitahiry ny vaksiny, raha ny fanazavana. Tsy dia rototra firy amin’ny resaka vaksiny i Andry Rajoelina. Efa zava-doza no miseho, ka rah any lesoka tamin’ny vaksiny AstraZeneca no novoizina teo aloha, dia any amin’ny fiomanana sy fivoizana fa tsy misy vaksiny mahatohitra ny “variant” Afrikanina Tatsimo no mandeha amin’izao. Efa manana antontan-kevitra sy antontam-pahalalana feno ahafaha-milaza ve ny Fanjakana fa ilay “variant” Afrikanina Tatsimo ihany no tranga eto ka tsy misy ilàna vaksiny ?

Toky R

Dans la même rubrique