hoy ny dokotera mpitsabo iray etsy amin’ny Hopitaly Befelatanana nisafidy ny tsy hitonona anarana nanaiky hitafa sy hizara ny tena zava-misy marina momba ny fandraisana an-tànana ny mararin’ny coronavirus. Naneho ireo lesoka sy olana maro sedraina ao anatin’izao ady izao izy.
“MIANTO-TENA, MATETIKA LANY NY TAHIRIM- PANAFODY”
“Mafy, fahoriana satria sady marary ny tena, ny namana sy fianakaviana manao “forme grave”, misy maty aza ny sasany, andefasana fanafody ao amin’ny birao dia miasa ihany satria sarotra ny hamela olona maro be ho faty raha mbola afaka mamindra. Tsy harifomba ny fiarovana, “masque” sy sur-blouse” ihany no azo fa izahay no miantoka visière sy ny maro hafa. Lazain’ny mpanao politika, fa maimaimpoana ny fanafody rehetra, kanefa ampahany ihany, sady tsy ampy fa manao “rupture de stock” foana, dia lasa tsy maintsy mividy ny marary. Ireo diabetika, ny manana tosi-drà ambony izao ohatra “à risque” be, kanefa ny fanafodin’ireo aretina roa ireo dia efa tsy maimaimpoana satria hoe ny an’ny covid-19 ihany kanefa mifameno ny aretina”.
TSY AMPY FITAOVANA
“Tapaka matetika ny jiro, tsy mahatosika ny “oxygène” ka ireny matetika no mamono marary, raha ny lafiny teknika. Tsy ampy ny fitaovana, “masque à haute concentration” ihany no misy, nefa ny ankamaroa'ny marary tokony hatao “sous-respirateur”, lasa ny mpitsabo indray matetika no hitezan’ny olona kanefa ny fitaovana no tsy ampy na tsy misy. Maro ny maty ary tena mampalahelo dia misy mbola tanora izy ireo. Misy ihany koa anefa ny sitrana ka mahatonga anay mbola mijoro hatrany na dia tsy rariny ny zava-misy. Ny tsapa hatreto dia ireo nahazo taona, sy ireo mitondra aretina mitaiza toy ny diabétique, tosidra avo, marary fo, marary voa,… na izany aza hita ho miha mitombo ireo tanora matanjaka tsara matin izy ty, ka tokony hitandrina”.
, LASA AMBANIN-JAVATRA NY ARETINA HAFA
Ny olana arak’olona misy, tsy ampy ny “personnel” satria miha mitombo ny marary, misy ihany koa ireo marary, reraka loatra izahay ka sarotra ny hanome fahafam-po ho ny marary na dia tiana aza izany. Olana tsy azo hamaivainina ity hoe: feno coronavirus ny hôpitaly zary lasa anjorombala ny aretina hafa, misy aza ireo marary manapaka ny “contrôle” na fitsirihana tokony hataony ka lasa efa miombo ny aretina vao hita.
AHOANA NY FAHITANAO NY FIHIBOHANA?
Ny tena olana raha ny fijeriko azy, tsy tena “raisonnement scientifique” na “medical” no hitondran'ny tompon’andraikitra ambony an’ilay ady fa politika loatra. Ny tena “confinement total” dia efa voaporofo fa mahomby satria tapaka ny “transmission inter-humaine”, fa ny “mesures d'accompagnement” tsy vitan’ny fanjakana ka miteraka olana vaovao indray. Ny “confinement partiel » na sarintsariny dia tsy vahaolana mihitsy, satria manararaotra mivoaka daholo ihany amin’ny ora na andro azo ivoahana ka lasa voa maika mifampitakosona, ny tsimokaretina tsy malala andro na ora.
HETAHETA MIANTEFA AMIN’NY MPITONDRA, TOROMARIKA HO AN’NY VAHOAKA
“Tsy misy ny “indemnité de risque”, hatreto dia mbola tsy nandray karama hatramin’ny janoary 2021 ireo “interne” 8ème année, sy ny “interne qualifiant”, izay tena andry na “pilier” ao anatin’izao ady izao, hoy io mpitsabo io. Tokony jerena manokana ny mpiasan'ny fahasalamana, tsy mila fisaorana sy fampaherezana intsony izahay fa vola sy fitaovana ahafahana mitsabo ny Malagasy no ilaina. Olona manana vady aman-janaka. Nofo sy ra toy ny olona rehetra ny mpitsabo, fa tsy « machine » akory, masinina aza mila solika. Hajao tsara ireo hetsika sakana rehetra, tokony tsy mila terena akory, mihinana sakafo ara-pahasalamana toy ny voankazo sy legioma, aleo misoroka toy izay mitsabo,…. ”
Toky R