airtel

Covid 19

01-avril-2021

Covid 19

Masoivoho Frantsay Nampitandrina ny olony eto noho ny covid-19

Sample post image

Niantso ny terataniny eto Madagasikara ho mailo sy hitandrina mafy eo anatrehan’ny fiakaran’ny trangana

01-avril-2021

 

 

 

 coronavirus eto amintsika ny masoivoho Frantsay tarihin’ny Ambasaodaorony Christophe Bouchard omaly 31 martsa. Manentana ny olona hanaraka antsakany sy andavany ny fepetra sy toromarika ny manam-pahefana eto an-toerana sy avoakan’ny Fiadidian’ny masoivoho ao amin’ny tambajotran-tseraserany. Nambara fa vonona ny “Consulat general de France” sy ny ekipa mpitsabo ao aminy ho an’ireo olony raha sanatria voan’ny covid-19. Raha misy ny fahasarotana be dia azo heverina ny hanaovana EVASAN makatsy amin’ny Nosy La Réunion ho azy ireo. Noho ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, nandray fanapahan-kevitra ny Masoivohon'i Frantsa fa hakatona ny toerana fandraisan'olona eo anivon'ny “Consulat général de France” ho fiarovana amin'ny valanaretina. Misy rohy fifandraisan-davitra hiseraserana amin'izy ireo ho an'izay mila izany, ka raha misy ny fihaonana manokana dia any no andaminana ny fandraisana olona. Ireo teratany frantsay mila vonjy manokana moa dia efa misy laharana finday natokana ho azy ireo misokatra 24/24ora 7/7andro, araka ny fampahafantaran’ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Masoivoho Frantsay.

 Toky R

Dans la même rubrique