airtel

Covid 19

31-janv-2022

Covid 19

Mbola eo hatrany ny Coronavirus 211 no maty nandritra ny janoary

Sample post image

Tsy mety midina fa manodidina ny 50 mahery isam-bolana eo hatrany ny olona lavon’ny coronavirus nandritra ity volana janoary 2022 ity izay mifarana anio ity.

31-janv-2022

 Tafiakatra 211 ny namoy ny ainy hatramin’izay, izay manome salan’isa 7,5 izany hoe 7 hatramin’ny 8 isan’andro eo, raha kajiana ny lavo teo anelanelan’ny 1-28 janoary. Tao anatin’ny herinandro farany ny 22-28 janoary teo, 51 ny isan’ny lavo izay latsaka telo tamin’ny herinandro teo alohany, raha toa ka nahatratra 1944 indray ny tranga vaovao. Fitiliana 8974 no nahitana an’io, izay manome taham-pahavoazana 21,66% izay tena ambony be. Ny herinandro teo alohany dia ny 15-21 janoary anefa 1548 ny tranga vaovao hita tamin’ny fitiliana 9508, izay nanome taham-pahavoazana 16,28%. Kely ny fitiliana ny herinandro farany teo mitaha amin’io, saingy nanatombo 400 latsaka kely ny isan’ny tranga. Toy izao ny fitsinjarany: Alaotra Mangoro 6, Analamanga 1 361, Analanjirofo 1, Anosy 58, Atsimo Andrefana 87, Atsimo Antsinanana 9, Antsinanana 28, Betsiboka 27, Boeny 10, Bongolava 14, Diana 73, Matsiatra Ambony 23, Ihorombe 23, Itasy 3, Menabe 3, Sava 31, Sofia 126, Vakinankaratra : 52, Vatovavy sy Fitovinany 9. Miakatra ny tranga, ary tsy eto Analamanga ihany. Somary adinodidino noho ny mety fahasahiranana sy fitotihan’ny saina any amin’ny fiatrehana ny tondra-drano ny mbola fisian’ny coronavirus, kanefa tena mbola eo, ary mamono olona. Ny vaksiny ihany aloha ny fanefitra ara-tsiantifika iraisam-pirenena voasokajy ho mahomby hisorohana ny coronavirus tsy handravarava kokoa.
Toky R
 

Dans la même rubrique